Taratra

Sarotra atao

Tanin’ny moramora, hono, i Madagasikara ! Izany no fahi­tan’ny olona an’ity firenena mamintsika ity hatrizay. Diso tan­tetaka anefa izany raha mandinika lalina ny zava-misy isika. Tao anatin’ny herinadro, nahoraka sy nitehaka daholo ny rehetra fa vita ihany ny sata mifehy ny harena an-kibon’ny tany. Nihoraka sy niarahaba ny ezaka vita. Tsy […]

Lehilahy sy adim-piainana: maro ny marary saina, misy ny mamono tena

Lehilahy ny 92,5%-n’ireo mitsabo saina eny Anjanamasina. Antony, tsy mahazaka adim-piainana. Mamono tena fa tsy mahavelon-tena koa ireo nandalo hopitaly, HJRA Ampefiloha. Mitombo hatrany ireo olona iharan’ny fikorontanan-tsaina noho ny tsy fahazakana adim-piainana. Mihamaro anisa ny lehilahy. Vokany, mivarilavo any amin’ny fidorohana zava-ma­ha­domelina izy ireny. Mivadi­ka ho marary saina avy […]

Sabotsy Namehana : tratra nivarotra rongony i Papelika

Efa mpivaro-drongony mampitaraina ny manodidina, voasambotry ny mpitandro filaminana teo amin’ny fihan­tsonan’ny taksibrosy, Sabotsy Namehana, i Papelika, omaly. Ataony anaty fonosana am-polony ny rongony amidiny. Jifain’ireo mpidoroka amin’ny sarany 500 Ar hatramin’ny 5 000 Ar izany. Naharay fitarainana tamin’ny olona manodidina tsara sitra-po ny mpitandro filaminana. Nanao ve­la-pandrika, tra-tehaka teo […]

Valifaty : notsatohana antsy rangahy, ramatoa nohidina tanaty trano fivoahana

Valifaty! Nitrangana vo­noan’olona feno habibiana indray teny Ambohitrony Ambohimanambola, afakomaly alina tamin’ny 8 ora. Raim-pianakaviana iray maty notsatotsatohan’ny jiolahy ny antsy tao an-tranony. Nahi­tana ratra teo amin’ny lohany, ny tendany ary ny kibony. Araka ny fitantaran’ny vadiny, roa lahy no niditra an-keriny tao an-trano, tamin’io fotoana io. Talohan’ny namonoana ilay […]

Hetsika Tselatra : Lavo i Parfait dahalo raindahiny

Anisan’ny maty voatifitra ny lehiben’ny dahalo antsoina hoe Parfait. 20 lahy, nitondra fitaovam-piadiana ireo dahalo. Hihazo ny kaominina ambanivohitra Mahavelona Ankazobe ireo miaramila manao hetsika. Nifanehitra tampoka tamin’ireo olon-dratsy izy ireo. Raikitra ny sakoroka tao amin’ny fokontany Andriantsampana, kaominina ambanivohitra Mahabe, dis­trikan’Ambohidratrimo, ny 9 mey tamin’ny 5 ora maraina. Nifampitifitra […]