Niakatra fampanoavana, nidoboka am-ponja vonjimaika ny lehilahy iray mpisoloky, voasambotry ny polisy ao amin’ny DSRP Menabe, afakomaly. Mitondra vato hosoka ny lehilahy roa ka mitady mpanakalo izany. Nokasain’ ireo mpisoloky ireo hatakalo rojo volamena tena izy ireto vato hosoka teny aminy. Noresen’izy ireo lahatra ny tompon’ilay volamena. Tonga hatramin’ny filazana […]
Taratra
Tovovavy voaolana : notrobarana hazo sy vava basy ny fivaviany
Niharan’ny herisetra nataona manam-pahefana ao amina kaominina iray anatin’ny distrikan’i Vangaindrano ny tovovavy iray, ny alahady 2 avrily teo. Zazavavy mbola mpianatra no niharan’ny fanolanana mahatsiravina nataona lefitry ny ben’ny Tanàna iray ao Bevaho, anatin’ny distrikan’i Vangaindrano, ny 10 mey teo. Kilasa T9 ity zazavavy ity. Ny alin’ny alahady 02 […]
FES : Liana sy te hisehatra amin’ ny tontolo politika ny tanora
Notontosaina teny amin’ny oniversiten’Antananarivo Ankatso, omaly, ny fandaharanasa nokarakarain’ny FES (Friedrich-Ebert-Stiftung). Nahafahana nanao vela-kevitra sy dinika lehibe ho an’ny tanora. Fotoana nahafahan’ny tanora naneho ny heviny mikasika ny zotram-pifidianana sy ny tontolo politika eto Madagasikara. «Efa manomboka liana sy te hisehatra eo amin’ny tontolo politika misy eto Madagasikara ny tanora […]
Fiarovana ny sisin-tany sy ny mpandeha : nanamafy fiaraha-miasa ny Tafika Malagasy sy ny APMF
Nanao soniam-piaraha-miasa ny Tafika Malagasy sy ny APMF. Mba hahafahana manatsara ny fitaterana an-dranomasina. Nohamafisina ny fiaraha-miasa eo amin’ny Sampandraharaha miandraikitra ny Seranan-tsambo ary ny fitaterana an-dranomasina sy an-dranomamy (APMF) sy ny Tafika Malagasy. Tontosa, omaly, teny amin’ny minisiteran’ny Fiarovam-pirenena Ampahibe ny sonia fifanaraham-piaraha-miasa teo amin’ny roa tonta. Miompana amin’ny […]
Fampianarana ambony : afaka mampiato ny fifanarahana ireo mpampianatra «vacataire»
Niato, nanomboka omaly, ny fampianarana ataon’ ny mpampianatra an-tselika eny amin’ny oniversite sy ny IST. Manoloana izany, namaly sy nitondra fanazavana ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana siantifika (Mesupres). Namoaka fanambarana ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana siantifika (Mesupres), omaly. Manasonia izany ny sekretera jeneraly, Salava Julien. Voalaza […]




