Taratra

Mpiadina BEPC : nisy fizaham-pahasalamana indroa

21 334 ny isan’ny mpiadina hanala BEPC, miatrika taranja adina ara-panatanjahantena eto amin’ny Cisco Antananarivo Renivohitra. Mitotaly 25 001 ny mpiadina rehetra amin’ity taona ity. Iray amin’ny foibem-panadinana ny kianjan’Ala­ro­bia, mandray ny mpiadina nanomboka afakomaly ha­tramin’ny zoma. 4 086 ny mpiadina hiatrika ny fanadinana ao amin’ny lycée Nanisana, CEG Nanisana sy ny CEG […]

Taranja fanatanjahantena : tokony hatrehin’ny mpiadina amin’ny BEPC

“Taninketsan’ny fanatanjahantena avo lenta ny taranja fanatanjahantena any an-dakilasy ka tsy tokony hatao ambanin-javatra”, hoy ny mpampianatra fanatanjahantena eny amin’ny lycée Nanisana, Randrianarivo Falimanana Jacobson, omaly, teny Alarobia. Taranja iray ampianarina any an-tsekoly saingy tsy ampy ny fotodrafitrasa sy ny mpampianatra ary ny fiofanana azon’ny mpanabe. “Ma­nangana sekoly manara-penitra maro […]

Famokarana voanjo : mangataka ozinina ny kaominina Befeta

Tanàna anisan’ny mamokatra voanjo ny kaominina Befeta, ao amin’ny distrikan’ Ambohimahasoa. “Mahatra­tra 30t isan’andro ny vokatra azo ao an-toerana ary mavitirka amin’izany famokarana izany ny mponina”, hoy ny loharanom-baovao iray. Olana anefa ny famoahana ny vokatra. Araka izany, mangataka ny hisian’ny ozinina fanodinana voanjo ny mponina any an-toerana fa tsy […]

Lalana Andramasina sy Ambohimiadana : hampandraisina anjara ny mpitatitra sy ny mpandraharaha

Nidina tany amin’ny distrikan’Andramasina ny teknisiana sy ny injeniera ao amin’ny faritra Analamanga, ny herinandro lasa teo. Nojerena ifotony ny fanomanana ny hanarenana ny lalana, izay efa tena potika hatry ny ela. Hiarahan’ny faritra Analamanga sy ny ben’ny Tanàna sasany, ny mpitatitra, ny mpandraharaha ary ny zanaka am-pielezana manatanteraka ity […]