Taratra

SESAM 2023 : tsara noho ny andiany farany

Fahombiazana ny azon’ny mpikarakaran’ny hetsika Se­sam (Sports extrêmes et Salon des arts martiaux), andiany faha-3, notontosaina tetsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny faran’ny herinandro. Afa-po avokoa ny mpandray anjara rehetra ary afaka nahalala zavatra maro ireo mpitsidika. Dojo miisa 12 avy amin’ny taranja maro sa­mihafa ny nampiranty sy nampahafantatra ny […]

Kitra – Atsimondrano Champions League (ACL 2023) : mpilalao 2300 niatrika ny fotoam-panokafana

Notanterahina, teny amin’ny kianja Ambohimamory Itaosy, ny alahady lasa teo, ny fanokafana tamin’ny fom­ba ofisialy ny andiany faharoa amin’ny Atsimon­drano Cham­­pions League (ACL 2023), taranja baolina kitra. Nakotroka ny hetsika, nahatratra 2300 ireo mpilalao niatrika ny fotoam-panokafana. Tsiahivina fa hiady izay ho lohany amin’ity ireo ekipa 78, avy amin’ny kaominina 26 mandrafitra an’Atsimon­drano. Nanome […]

Ligue des Champions : hanalavela amin’ny Real ny City

Hotanterahina anio, ny lalao manasa-dalana mandroso amin’ny fiadiana ny tompondakan’i Eoropa « ligue des Champions ». Anisan’ireo lalao tena andrasan’ny rehetra ny fifanandrinan’ny Real Madrid, espaniola sy ny Man­chester City, Anglisy. Fihao­nana hotontosaina ao amin’ny kianjan’ny Santiago Berna­beu. Hanala vela ny anglisy, ny Real Madrid no nanapaka ny nofin’izy ireo teo amin’ny […]

Prize money Chan 2022 : 250 000 dolara, nomena ny Barea

Taorian’ilay fitakiana nataon’ireo mpilalao Barea chan sy ny staff, mahakasika ny tambin-karaman’izy ireo, dia nakarin’ny federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF) ho 50% ny vola homena azy ireo , noho ny zava-bitany nandritra ny Chan Algerie 2022. Lelavola 250 000 dolara na 1 100 000 000 Ar, izay antsasak’ilay 500 000 dolara na 2 200 000 000 […]

Havatsa-Upem : nankalazaina ny faha-110 taonan’i Regis Rajemisa

Notanterahina teny amin’ny Panorama Andrainarivo, ny fankalazana ny faha-110 taonan’i Regis Rajemisa Raolison. Ny fikambanan’ny mpanoratra sy poeta malagasy, Havatsa-Upem no nikarakara ny hetsika, niaraka ta­min’ny fianakaviana sy ny taranak’ity mpanoratra ity. Nandritra ity fankalazana ity. Nisy ihany koa ny famoahana boky mirakitra ny amboara tononkalo nataon’ny mpanoratra ankehitriny nentina […]