Taratra

Croix Rouge Malagasy : nankalaza ny faha-60 taonany

Nomarihina, omaly, tetsy amin’ny Lapan’ny Tanàna Analakely, ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny Croix Rouge sy ny Croissant Rouge. Nifanindran-dalana tamin’ny fankalazana ny faha-60 tao­nan’ny Croix Rouge Mala­gasy (CRM) izany. Marolafy ny hetsika nentina nanamarihana izany. Nisy ny fanomezan-dra maimaimpoana sy fizarana sakafo ho an’ireo tsy manan-kialofana sy mpatory an-tsena. Fotoana […]

Oniversiten’i Barikadimy : mandrahona ny PAT, masiaka ny Seces

Taorian’ny fitokonana faobe nataon’ny mpiasa “PAT” (Personnel administratif et technique de l’université de Toamasina) ny talata, alarobia ary ny zoma, somary nisinda kely izany noho ny fifampiresahana tamin’ny prefet Toa­masina, Ambinintsoa Jean José sy ny filohan’ny oniversite, ny dokotera Razana­kolona Diny ary ireo solontenan’ny mpiasa mitokona. Hisy solontena alefa hiakatra […]

Mandrangobato I: diovina ny lakandrano ao anatin’ny fokontany

Ataon’ny olona fanariana fako sy maloto ny lakandrano eny Anosibe. Nandray andraikitra hanadio izany ny eo anivon’ny fokontany Anosibe Mandrangobato I, nanomboka omaly. Nodiovina, nanomboka omaly, ny lakandrano eny amin’ny arabe ao anatin’ny fokontany Anosibe Mandrangobato I. Diovina avokoa ny lakandrano eo anelanelan’ny Villa Tahirisoa hatreny amin’ny lakandrano Andranolava. Maharitra […]

Ozinina mpanodina tantely : mahazo vokatra 100 t isan-taona

Anatin’ny politikam-pirenena ny fametrahana ozinina 75 manerana ny Nosy. Anke­hitriny, nahazo ny anjarany ny ao Manakara. Tafapetraka ny ozinina fanodidina tantely any an-toerana. Mahatratra 100 t isan-taona ny vokatra azo avy amin’ireo kaominina samihafa ao anatin’ity distrika ity. Hisy fiantraikany mivaingana amin’ny lafiny sosialy sy toekaren’ny mponina ny fahazoana ny […]

Fitaterana entana : Goragora ny fanaraha-mason’ny APMF

Misy tandrevaka ny fidirana sy fivoahan’ny entana ao Toamasina. Ny 18 avrily teo, nilaza ny ny zandarimariam-pirenena ao Atsinanana fa misy moto halatra tafavoaka avy ao an-toerana, nentina sambo hihazo an’i Taolag­naro. Taorian’izay, nanambara ny sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimaria, ny Jly Serge Gellé fa lasa varavarana hivoahan’ny entana halatra avy […]