Mirehareha amin’ny maha malagasy tokoa raha i Ludy Soa sy Nathan. Hitohy hatrany ny fanandratana ny haikanto Malagasy. Eo ihany koa ny fanomezana fahafaham-po ny mpankafy, indrindra ny eto Madagasikara. Hanatanteraka fampisehoana lehibe eto Madagasikara i LudySoa sy Nathan, ny Sabotsy 20 mey 2023, ao amin’ny CCEsca Antanimena. Hetsika lehibe […]
Taratra
Pr Manantsoa Victor : Tompon’antoka amin’ny fampandrosoana ny Malagasy
«Tsy mandroso mihitsy i Madagasikara raha tsy ny Malagasy iray manontolo no miara-mandray anjara amin’ny fampandrosoana», hoy ny minisitra teo aloha, Pr Manantsoa Victor, raha nanontaniana tetsy Mahamasina, omaly. Tokony hanana politika sy paikady hampandraisan’andraikitra ny vahoaka ny fitondram-panjakana. Miainga amin’ny alalan’ny fifidianana sy fandraisana anjara amin’ny raharaha maro eto […]
Seho lehibe : les Talenta, hihira an’i Bessa
Inah, Mirana (Kala Vazo), Fanilo Poppins ary Mbola Talenta. Mpanakanto samy manana ny maha izy azy, natambatry ny fitiavana mamerina sy mamelona ireo hira be mpankafy nandalo vanim-potoana maro izy efatra miandahy ireto.Taorian’ny andrana fiarahana an-tsehatra, raikitra avy hatrany fa hitohy ary ho lava ny lalana. Efa fanindroany no nivoaka […]
Belaoko Lokoho: tratra ireo mpifankatia namono olona
Voasambotry ny polisy avy ao Andapa ny mpifankatia voarohirohy tamin’ilay raharaha vonoan’ olona tao Andapa, ny sabotsy maraina teo. Naharay vaovao ny polisy fa nisy vono olona tao amin’ny fokontany Ambahakarabo kaominina ambanivohitr’i Belaoko Lokoho distrikan’Andapa, tamin’io fotoana io. Nidina tao an-toerana ny polisy nanao ny fizahana ny razana sady […]
Herinandron’ny paramédicaux : misy ny tolotra ara-pahasalamana manakaiky vahoaka
Nomarihina ny 5 mey lasa teo ny Andro maneran-tany ho an’ny mpitsabo mpanampy, nifanindran-dalana tamin’ny fankalazana ny Andro maneran-tany ho an’ny rasazy. Nizara fitaovam-piarovana ho an’ny mpitsabo mpanampy rehetra miasa ao amin’ny CSB Isotry Central ny fikambanan’ny paramédicaux eto Madagasikara (APM) satria zava-dehibe ny fiarovantena eo am-perinasa. «Mandritra ity herinandro […]




