Taratra

Vidim-piainana: tsy mitsaha-miakatra ny vidin’ny atody

Anisan’ny vokatra tsy nahitana fiakarany firy ny atody na teo aza ny sondro-bidim-piainana samihafa. Tato ho ato, miakatra tsikelikely izany ary efa misy tafakatra 650Ar. Tao anatin’ny andro vitsy, tsy nitsaha-niakatra ny vidin’ny atody eny amin’ny tsenakely rehetra. Tsikaritra ihany koa izany eny amin’ireo mpamongady, etsy amin’ny tsenan’ny tantsaha Antohomadinika. Taloha raha […]

Toamasina : hamboarina ny lalana Ankirihiry

Nijery ifotony ny fahapotehan’ny lalana eo Ankiri­hiry mankany amin’ny prefktiora Morarano Toamasina, ny filoha lefitry ny antenimierampirenena, ny depiote Naharima­my Irmah sy ny governora Atsinanana, Rafi­dison Richard. Nilaza Rtoa depiote, fa hanomboka amin’ny tapaky ny jona ho avy izao ny fanamboarana ity lalana ity. Vola mitentina 250 tapitrisa Ar avy […]

Faritra Afrika ESA : hamafisina ny fahaiza-manaon’ny ladoany

Atao eto Antananarivo, ny 8 hatramin’ny 10 mey, ny andiany faha-37 ny fivoriana iraisam-pirenen’ny vaomiera mpitarika ao amin’ny Biraom-paritry ny Fikambanana iraisam-pirenena mikasika ny ladoany (OMD). Fivoriana hanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo teknisiana tomponandraikitry ny haban-tseranana aty amin’ny tapany atsimo sy atsinanan’Afrika (ESA). Miisa 24 ny firenena mpikambana ESA mandray anjara. Nilaza […]

Sunref Madagascar: fanohanana tetikasa 30 mahery

Nanomboka ny janoary 2021 ny fandaharanasa Sunref Madagasikara. Tetikasa tohanan’ny Vondrona eoropeanina (UE) ara-bola, tanterahin’ny Antokondraharaha frantsay ho an’ny fampandrosoana (AFD), mifantoka amin’ny lafiny angovo sy ny tontolo iainana. Tamin’ireo orinasa aman-jatony nanolotra ny tetikasany avy, maherin’ny 30 ny voasivana. Taorian’ny nijoroan’ny fandaharanasa Sunref Madagasikara, ny taona 2021, nampahafantarina ny jolay […]

Filoha teo aloha, Ravalomanana : “Tsy azo ekena ny hametrahana Tetezamita”

“Tsy azo ekena sy tsy ilaina ny fametrahana fitondrana tetezamita izany. Tsy hiray petsapetsa amin’izany isika. Mitaky ny hanaovana fifidianana madio sy mangarahara isika”, hoy ny filoha nasionalin’ny Tim, Ravalomanana Marc, tany Analanjirofo sy Atsinanana, ny herinandro teo. Nohenoiny tamin’ireo vahoaka amin’ny faritra nolalovany ny maharary azy ireo. Anisan’izany ny […]