Tsy mbola mifarana eo! Nitondra fanazavana momba ny tolo-dalàna amin’ny famokarana sy famarotana toaka gasy ny filohan’ny Vaomiera misahana ny lalàna eo anivon’ny Antenimierampirenena, ny solombavambahoaka voafidy tao Farafangana, Raby Savatsarah. Nambarany fa betsaka ireo toerana sy faritra tena mamokatra azy io. Notakiny, araka izany, ny hiarovana io seha-pihariana io. […]
Taratra
Alao hery àry !
Raha manao, hono, no tsy ambinina, ampisambory fa havana ory; raha miraviravy tanana, avelao hivarina amin’ny tany. Eo koa ny hoe Zanahary tsy mitahy mandry. Tsy toe-tsaina malagasy ny miandry ampiana: manao ariary zato am-pandriana. Na manantena harin-drahalahy. Na ahoana na ahoana, misy izany no mendrika ampiana: izay mihetsika, […]
Fankalazana ny fetin’ny 26 jona : Hitarika ny fananganan-tsaina ny filoha Rajoelina Andry
Hosokafana amin’ny fomba ofisialy, anio, ny hetsika fankalazana ny faha-65 taona niverenan’ny Fahaleovantena sy ny nijoroan’ny Foloalindahy Malagasy. Homarihina amin’ny hetsika maro izany manomboka izao. Hisantarana izany ny fananganan-tsaina azon’ny rehetra atrehina etsy amin’ny Lapan’ny tanàna Analakely, ho an’ny eto Antananarivo Renivohitra. Hitarika ny lanonana amin’izany ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina […]
TSELATRA
Taxi-be iray nirehitra teo amin’ny Jovena Anosizato Andrefana, omaly atoandro, tamin’ny 11ora sy sasany. Nifarimbona namono ny afo ny avy amin’ny zandarimaria teny an-toerana sy ny eo amin’ny tobin-tsolika. Nampiasana fasika sy extincteurs roa ny famonoana izany ary voafehy haingana. Tsy fantatra mazava ny antony nahatonga ny loza. Tsy nisy […]
Jiolahy mpamerin-keloka: Lavon’ny balan’ny Zandary i Lekoera
Lavon’ny balan’ny zandary tany Antonibe, omaly tamin’ny 4 ora maraina, ny jiolahy fantatra amin’ny anarana hoe Lekoera. Voatifitry ny mpitandro filaminana tany Fiadanana Ambatolampy, kaominina ambanivohitra Bemaitso Andilamena, an-dalana hanoro ny misy ireo namany, izy io, rehefa nikasa handositra. Voasambotra tany Antsamala fokontany sy kaominina Antonibe ity olon-dratsy ity, ny […]