Taratra

Fenoarivo: Mpitondra moto maty voafaokan’ny fiara

Nandositra ny fiara sprinter nandona ka nahafaty mpitondra moto iray teny amin’ny digue mampitohy an’Ampitatafika sy Fenoarivo, omaly. Nitondra mpandeha avy any Fenoarivo ny taksibe iray, araka ny fampitam-baovao. Nipitika teny afovoan’ny arabe ilay mpitondra moto taorian’ny fifandonana. Naratra mafy ity farany ka voatery nentin’ireo nanatri-maso teny anivon’ny hopitaly. Tsy […]

Fahasalaman’ny reny sy ny zaza: Fototry ny ankohonana mirindra

Mandritra ny 4 andro ny atrikasa fifanakalozan-kevitra handinihina ireo paikady mi­kendry ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza ary ny tanora, hatao eto Antananarivo. Dini­hina amin’izany ny fanamafisana ny fahasalamana ara-pananahana sy ny fandrindrana ny fiainam-pianakaviana. Manana anjara toerana lehibe amin’ny fiarovana ny tokantrano sy ny fanatsarana ny kalitaon’ny fiainan’ny ankohonana […]

Ho an’ny fanjarian-tsakafo : Manohana ONG roa ny masoivoho japoney

Nanao sonia fifanarahana fanomezana fanampiana ho an’ny ONG japonais roa, AMDA‑Minds sy Save the Children Japan, ny masoivohon’i Japon miasa eto amintsika, i Tojima Hitoshi, tamin’ity herinandro ity, teny Ivandry. Ho fanomezana tohana hanatanterahana tetikasa roa hositrahin’ny vahoaka malagasy avy amin’ny fanjakana japoney izany. Asa iandraiketan’ny ONG Save the Children […]

Fomba amam-panao: Mivelatra hatrany ny Taombaovao Malagasy

Mitombo ny isan’ny Mala­gasy mahalala sy mahafantatra ny fombany. Miha maro hatrany ireo manatanteraka izany. Ankoatra ireo vohitra ma­nan-kasina notetezin’ny Trano Kolotoraly Malagasy sy nandrehetany afo hatrany am-boalohany. Efa nitombo fatratra ireo tanàna, na vohitra na faritra, mankalaza ny Taom­bao­vao Malagasy, ankehitriny. Mitombo ihany koa ireo sehatra ahitana ny fanatanterahana […]