Taratra

Ady amin’ny kitrotro sy ny poliomelita : Hisy ny fanaovam-baksiny faobe manerana ny Nosy

Anisan’ny ezaka hanatsarana ny kalitaon’ny tolotra ara-pahasalamana sy miantoka ny fahafahan’ny ankizy mahazo vaksiny eny amin’ny toerana akaiky azy ny fanamafisana ny fanaovam-baksiny andavanandro. Hanatanteraka hetsika fanaovam-baksiny faobe hiadiana amin’ny kitrotro sy ny poliomelita, miaraka amin’ny fizarana vitamine A, ny minisiteran’ny Fahasala­mam-bahoaka. Hotanterahina ny 5 hatramin’ny 9 oktobra izany, eny […]

Echecs – Olympiade 2026: Nahazo fandresena 3 ny ekipa lahy sy vavy miaraka

Mbola mitohy any Sa­marcande, Ouzbekistan, ny “Olympiades” eo amin’ny lalaon-tsaina Echec. Anisan’ ireo firenena mandray anjara amin’izany i Madagasikara ary miatrika ny fifaninanana eo amin’ireo sokajy roa handraisana anjara. Raha ho an’ny vokatra, tsy mitsanga-menatra ny zava-bitan’ny ekipa iarahan’ny lahy sy vavy “mixte”. Tao anatin’ireo fihodinana dimy “round 5” efa […]

Basikety – Mada U18 : Noraofin’Analamanga avokoa ny amboara

Tontosa tany amin’ny ligin’Atsimo Andrefana, ny alahady lasa teo, ny fifaninanam-pirenena ho an’ny sokajy U18, taranja basikety. Noraofin’Analamanga avokoa ny amboara tamin’izany. Voahosotra ho tompondaka teo amin’ny sokajy vehivavy ny ASA, rehefa nandresy ny MB2 All tamin’ny isa 68 no ho 57. Adin’ny samy ekipan’Analamanga ny azy roa tonta ireo. Voafidy […]

Fifanintsanana Can 2027: Nantsoina hiaro ny haraton’ny Barea i Sonny Laiton

Namaly hatrany ny hetahetan’ny mpankafy baolina kitra ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF) sy ny mpanazatra ny Barea, Corentin Martins, raha ny vaovao, omaly. Nantsoina hanolo ny toeran’i Zacharie Boucher i Sonny Laiton. «Tafaverina ihany !». Raha ny filazan’ny loharanom-baovao iray, omaly, nantsoina hanampy isa ireo mpiandry haraton’ny Barean’i Madagasikara i […]

Vovonana Alalana : Hanamora ny fahazoan-dalana hanondrana

Hampiasaina hanatsarana ny fikarakarana ny fahazoan-dalana hanondram-bokatra ny vovonana Alalana. Natombo­ka omaly, tetsy Mahamasina, ny fiofanana momba ity sehatra ity. Natokana ho an’ireo talem-paritry ny Varotra sy ny fanjifana (DRCC) manerana ny Nosy, iarahana amin’ny PA Zlecaf izany. Manan-karena vokatra fanondrana i Madaga­sikara. Antony mahatonga ny minisiteran’ny Varotra sy ny […]