30 taona omaly, ny nankalazana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety. Anisan’ny nankalaza izany ny Transparency International Initiative Madagascar (TI-MG) sy ny tambajotra Malina. Nikarakara fifaninanana «Grand prix Malina 2023», andiany 5 izy ireo. Mpanao gazety 7 mianadahy, mendrika tamin’ny asa fanatsikafonana, ireo nandresy tamin’izany. Natolotra, omaly, teny amin’ny […]
Taratra
Sarin’ady “Ivondro 2023”: nifampizara fahaiza-manao ny Tafika Malagasy sy Frantsay
Vita soa aman-tsara ny sarin’ady “Ivondro 2023”, notanterahina tao Toamasina sy Nosy Boraha (Sainte-Marie). Nifarana , omaly, ny fifampizarana traikefa teo amin’ny miaramila malagasy sy frantsay. Nifarana , omaly , ny fanazaran-tena iraisam-pirenena “Ivondro 2023” notanterahin’ny Tafika Malagasy niaraka tamin’ny Tafika Frantsay, tao Toamasina sy Nosy Boraha. Arivo mahery ireo […]
Indray mijery
Mandritra ny fotoan’ny ririnina, toy ny fanao isan-taona, manamaivana ny vesatry ny fianakaviana amin’ny fanatanterahana ny forazaza ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka. Tanterahina manerana ny Nosy, anatin’ny varavarana misokatra, amin’izao fotona izao, eny anivon’ny hopitalin’ny distrika sy ny faritra manerana ny Nosy ny forazaza. Maimaimpoana ny fanaovana azy hanampiana ny mpiara-belona. Vahoaka […]
Boriborintany VI: hanakaiky vahoaka ny tolotra ara-pahasalamana
Mitohy ny hetsika fahasalamana manakaiky vahoaka, tanterahin’ny ekipan’ny kaominina Antananarivo Renivohitra. Misitraka izany ny ao amin’ny boriborintany fahenina, nanomboka ny talata ka hatramin’ny zoma. Mikendry ny hisitrahan’ ny vahoaka eny ifotony ny karazana tolotra ara-pahasalamana maimaimpoana ny hetsika. Hisy ny fizaham-pahasalamana amin’ny ankapobeny ataon’ny dokotera. Misy ny fitiliana karazan’aretina maro […]
Ambohidratrimo : omena tosika ny mponina mba tsy hifindra monina
Hatsangana tsy ho ela ny fotodrafitrasa «Trano ho an’ny tanora» eny amin’ny kaominina ambanivohitra Antanetibe-Mahazaza, ao amin’ny distrikan’Ambohidratrimo. Tetikasa karakarain’ny “ONG Le Lémurien de Madagascar” eny an-toerana. «Tanjon’ny fikambanana ny hanampina ny tanora mba hahay hivelona amin’ny zava-misy ao aminy fa tsy hifindra monina any amin’ny toeran-kafa», hoy ny filoha […]




