Tafiditra ao anatin’ny tetikasa Haraton’Aina ny Asa Avotra Mirindra. Tokantrano 117.000 amin’ ny faritra 11 sy distrika 23 ary kaominina 206 no misitraka izany. Mampihatra ny fomba fambolena sy fiompiana moderina sy haingam-pitombo ny 60%-n’ireo misitraka. Mahatratra 1.100 ha ny velarantany nohatsaraina sy nampidirana rano ka hahafahan’ireo tantsaha mamboly sy […]
Taratra
Nihena ny mpanjifa: niakatra 10% ny vidin-tsakafo masaka
Nihena ny isan’ny mpihinana isan’andro eny amin’ny toeram-pisakafoana noho ny fiakaran’ ny vidiny. “Tsy maintsy nampiakarina izany ialana amin’ny fatiantoka.”, hoy ny mpivarotra. Niakatra ny vidin-tsakafo eny amin’ny toeram-pisakafoana eto an-drenivohitra tao anatin’ny herinandro maromaro. Antony, lafo ny akora fototra. 5 ka hatramin’ny 10% ny fiakarana, arakaraka ny toerana sy […]
Fitantanana sy andraikitra: nivarotra mofo gasy sy efa miaramila ny depiote Nomenjanahary Simon
Iza izy ? Ny depiote voafidy tao Ambositra, Andriatahinanomenjanahary Félicien Simon de l’Enfant-Jésus. 58 taona ary zaza faharoa amin’ny farany amin’ireo 9 nateraky ny ray aman-dreniny. Hankalaza ny faha-30 taona ny mariaziny, tsy ho ela miaraka amin’ny vady aman-janany izy. Nianatra tao amin’ny CEG sy ny Lycée Ambositra ary nirotsaka […]
Mihava Tour tao Marovoay: “Tsy rariny intsony ny zava-misy”
Nitohy tany Marovoay ny Mihava Tour, tarihin’ny depiote Randrianasoloniaiko Siteny, omaly. “Tsy rariny intsony ny ataon’ny fitondrana amin’ny vahoaka. Tsy manam-bola intsony izao fanjakana izao ary tsy diso izany. Teneno izahay raha mandainga amin’izany”, hoy izy.. Nitondrany fanankiana koa ny olan’ny herinaratry ny Jirama. Ilana angovo mora anefa ny fihariana […]
Minisitry ny Serasera, Rakotondrazafy Lalatiana : “Malalaka ny asa fanaovan-gazety eto amintsika”
Nanao fanambarana tamin’ny fanamarihana ny Andro maneran-tany ho an’ny fahalalahan’ ny asa fanaovan-gazety, omaly, ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina(MSK), Rakotondrazafy Lalatiana. Nambarany, fa tsy ny governemanta na ny fitondram-panjakana no olana eto. «Malalaka ny asa fanaovan-gazety eto amintsika. Anisan’ny miantoka izany fahalalahana izany ny lalàna, nivoaka ny septambra […]




