Taratra

Mpirakidraharaha : mety hitokona indray

“Ny fanalana ny minisitry ny Fitsarana teo aloha no fitakiana voalohany azonay. Tsy nahomby ary tsy vonona hamaha olana izy aminay. Tonga ny minisitra vaovao, mahatsapa izahay fa lasa mijanona ho resaka ny raharaha. Hatramin’izao, tsy misy zavatra tena azo tsapain-tanana antenaina ho azo”, hoy ny filohan’ny Sendikàn’ny mpirakidraharaha eto […]

Vondrona parlemantera: IRD “Hodinihina ny hanonganana an’ireo depiote nania”

“Mazava ny voalazan’ny fitsipika anaty mifehy ny Ante­nimierampirenena mom­ba ny vondrona parlemantera. Mbo­la ambonin’izany ny And. 72 ao amin’ny lalàmpanorenana, raha mivaona amin’ny fitsipi-pitondran-tenan’ny vondrona politika nahavoafidy ny tena dia azo aongana tsy ho solombavambahoaka intsony. Tsy atao gaboraraka ny fanaovana politika eto Madagasikara.” Io no nambaran’ny filohan’ny vondrona parlemantera […]

Rakotoson Andriamiraho Hoby: “Tsangan-kevitra sy fandaharanasa no tokony hifidianana kandidà”

Mafanafana ny tontolo politika amin’izao? Maneho ny heviny ny mpikamban’ny fikambanana Mandray an-tanana ny hoaviny (Za Ambohimandray), Rakotoson Andriamiraho Hoby: “Marina aloha izay hoe amin’ny lafiny materialy no handrisihana ny olom-pirenena hifidy ny kandidà iray, nefa tsangan-kevitra sy fandaharansa no tokony hifidianana azy..” Dinidinika… Gazety Taratra (*): Ny fahitanareo mpanara-ma­so […]

Fifaninanana tononkalo : nahazo ny loka voalohany i Ny Ony

Ny tontolo iainana, araka ny aingam-panahin’ireo mpa­­noratra. Niompana tamin’ny tany sy ny rano ary ny ala ny lohahevitry ny fifaninanana tononkalo izay nentina nanamarihana ny Andro maneran-tany hoan’ny poezia, ny 21 marsa lasa teo. Sanganasa 10 no nosafidian’ny komity mpikarakara, izay natolotra nodinihin’ny mpitsara. Nivoaka omaly, tetsy amin’ny foiben’ny Comnat-Unesco, […]

Ela tsy niaka-tsehatra irery… : manomana seho adiny 4 tsy miato i Lôla

«100% Lôla». Izay ny lohatenin’ny fampisehoana, hanamarihan’i Lôla ny fiverenany an-tsehatra irery. Hotontosaina ny alahady 7 mey ho avy izao, etsy amin’ ny kianja filalaovam-baolin’ ny sekoly Esca Antanimena. «Tsy mbola nisy ny tahaka ity homanina ity. Sambany eo amin’ny tantaran’i Lôla sy ny tariny no hiatrika fampisehoana adiny efatra […]