“Henjana ny fifampihantsiana ara-politika eto Madagasikara. Ny fanaovana fifanarahana politika ihany no vahaolana ialana amin’izany ka zaraina telo mazava : ny afaka hofidiana dia ny mpomba ny fitondrana, ny mpanohitra ary ny hery afovoany”, hoy ny filohan’ny Hafari Malagasy, Rafanomezantsoa Jean Nirina, manoloana ny zava-misy eto amin’ny firenena amin’izao fotoana […]
Taratra
Asa fanaovan-gazety: harindra ny fomba fiasa amin’ny sehatra nomerika
Mitohy ny atrikasa mba hiarovana ny falalahana maneho hevitra sy mahazo vaovao ary fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety. Omena lanja amin’izany ny fandrindrana ny fomba fiasa eny amin’ireo sehatra nomerika rehetra. Hankalazaina anio, ny Andro maneran-tany ho an’ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety. Misy, araka izany, ny atrikasa hahafahana mandrindra ny sehatra nomerika rehetra, […]
Fiahiana sosialy : horesahina ny mikasika ny RSU
Tanterahina any amin’ny faritra Atsinanana nanomboka omaly, ny hetsika “Iray volan’ny fiahiana sosialy”, karakarain’ny minisiteran’ny Mponina sy ny fiahiana sosialy ary ny fampiroboroboana ny vehivavy. Hiompana amin’ny lohahevitra maro ny lahadinika, ka horesahina anio, ao amin’ny Academy Centre ny mikasika ny “Régistre Sociale unique” na RSU. Fitaovana iray manan-danja mirakitra […]
Fondation Axian-First Immo : notokanana ireo trano vaovao 20 eny amin’ ny Akamasoa
Notokanana ny faran’ny herinandro teo, ny trano vaovao miisa 20, eny amin’ny Akamasoa, Mangarivotra. Toerana fandraisana ireo fianakaviana tsy manan-kialofana. Fiaraha-miasa amin’ny Fondation Axian sy ny First Immo ary ny Akamasoa no nahavitana izany. Tafiditra ao anatin’ny andiany faharoa amin’ilay fandaharanasa Tafontsika ireo trano vaovao 20, ho an’ny fianakaviana sahirana ireo. […]
Faritra Atsinanana : mpampianatra 496 tafiditra mpiasam-panjakana
Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy ny fankalazana ny faha-65 taonan’ny lycée Jacques Rabemananjara, ao Toamasiana. Lisea lehibe indrindra eto Madagasikara, ahitana mpianatra eo amin’ny 4000 eo ho eo. Nanatrika ny lanonana ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena, Sahondrarimalala Marie Michèlle. Nandritra ny fotoana, nizarana taratasy fifanarahana arakasa ireo mpampianatra andiany fahasivy, voaray ho mpiasam-panjakana. Miisa […]




