Manimba ny fiharian’ny mpandraharaha madinika ny fahatapahan-jiro maharitra eto an-dRenivohitra sy ny manodidina. Mihena ny fidiram-bola, ny faktiora aloa isam- bolana anefa tsy miova. Velon-taraina manoloana ny fahatapahan-jiro isan’andro ny olona fa indrindra ireo miasa tena, izay tsy maintsy mampiasa herinaratra hanodinana ny orinasany. Tafiditra amin’izany ireo mpanao cybercafé sy […]
Taratra
Oniversite Farafangana: mpangalatra maty norasain’ny mpiambina antsy
Nifampitana tamin’ny mpiandry tanàna, mpangalatra iray nitondra antsy matin’ny mpiambina tao amin’ny Oniversite Farafarangana, afakomaly. Sendra ny nahay azy! Maty vokatry ny vono natoan’ny mpiambina ny iray tamin’ireo mpangalatra niditra an-keriny ny faritry ny oniversiten’i Farafangana, ny talata teo. Niditra an-keriny tao amin’io toerana io ny mpangalatra telo lahy nitondra […]
Mifamahofaho !
Nanomboka afakomaly ny fivoriana ara-potoana voalohan’ireo Andrimpanjakana roa mpanao lalàna : ny antenimierampirenena sy ny antenimierandoholona. Maro ny lahadinika voalahatra. Betsaka koa ny tolo-kevitra angatahan’ny herivelona rehetra mba ho dinihina. Anisan’ireny ny lalàna mifehy ny fifidianana sy ny firafitry ny vaomiera mahaleotena na ny Ceni. Fikambanana maro no efa manao ady […]
Halatra telefaonina : lehilahy matin’ny tora-bato sy biriky
Rangahy voalaza fa nangalatra telefaonina tetsy Amparibe ka matin’ny fitsaram-bahoaka. Any Manjakandriana anefa no hita ny fatiny. Manahy zavatra hafa ny fianakaviana. Niharan’ny fitsaram-bahoaka ny raim-pianakaviana iray, voalaza fa nangalatra telefaonina, teny Amparibe, anatin’ny boriborintany fahefatra, ny alin’ny alahady lasa teo. “Nifanenjehan’ny fokonolona izy ka nitsambikina tao anaty fefy”, hoy […]
Halatra omby : dahalo sarona niaraka tamin’ny basy
Voasambotra niaraka tamin’ny basimborona, marika Baikal Calibre 12 tsy misy taratasy, ny dahalo iray tao Ambatoabo Soaranoninandroa, fokontany Agnena, kaominina Beahitsy, distrikan’ Ampanihy Andrefana , afakomaly. Nanao hetsika manokana ny mpitandro filaminana ao an-toerana. Sarona niaraka tamin’io basy io ity dahalo ity. Nahitana moara niampy fitaovana fampiasany rehefa manao ny […]




