Mahita hirika ihany! Nifanehatra tamin’ny polisy miasa ao amin’ny kaomisaria boriborintany faharoa (CSP2) Ambohijatovo ambony, teny Ampasanimalo Ankorahotra, afakomaly, ny jiolahy iray nikasa hanatanteraka vaky trano. Toy ny fanao mahazatra, nanatanteraka fisafoana an’elakela-trano amin’iny faritra iny ny polisy ka nifanehatra tamina jiolahy. Teo am-pianihana tranon’olona izy no nalain’ny polisy teo […]
Taratra
Seranam-piaramanidina Ivato : tratra ireo jiolahy nitondra vola vahiny sandoka
Nidoboka eny amin’ny fonjan’Antanimora ireo olona dimy tompon’antoka tamin’ ilay raharaha fitondrana vola sandoka tratra tao anaty seranam-piaramanidina Ivato, afakomaly. Raha ny tatitra voaray avy amin’ny zandary, vola vahiny sandoka mitentina 500 euros roa no tratran’ireo zandary misahana ny seranana iraisam-pirenena Ivato. Nentin’ireo jiolahy saika hatakalo tao amin’ny toerana fanakalozam-bola […]
Maty voatifitra i Zamena : basilava iray azon’ny zandary
Maty voatifitry ny zandary nandritra ny fifandonana tao amin’ny kaominina Etrotroka distrikan’i Farafangana , afakomaly, ny dahalo raindahiny antsoina hoe Arimanga fantatra amin’ny anarana hoe Zamena. Nahazo antso ny zandary fa misy dahalo maromaro mivory ao Tanambao, fokontany Mahamasy. Nidina tany an-toerana ny mpitandro filaminana ka voamarina tokoa ny fisian’ireo […]
Nampamono ny vadiny: nidoboka am-ponja ilay raim-pianakaviana
Naiditra am-ponja , afakomaly , ilay vady nahavanon-doza sy ny olona efatra nahavita namono ny renim-pianakaviana iray tao Antanety, fokontany Ambohitratsimo, Kaominina Andranomiady, distrika Faratsiho. Mifamaly matetika izy mivady. Nanapa-kevitra ilay rangahy fa haniraka olona hamono an-dramatoa andefimandriny. Ny 19 avrily, hita faty tao amin’io kaominina io ihany ilay ramatoa […]
Razafimahefa H. : « Aoka tsy hiandry ny governemanta »
Ankoatra ny lafiny politika, navoitran’ny filohan’ny Antenimierandoholona, Razafimahefa Herimanana ny toekarena sy ny sosialy. «Tsy misy intsony ny tena fanatontoloana amin’izao fotoana izao, fa bahanan’ny hery anankiroa, ny tandrefana sy ireo firenen-dehiba hafa sy vao misondrotra», hoy izy. «Aleo isika tsy hiandry foana ny governemanta, fa afaka miasa foana. Maro […]




