Taratra

Tsy ampy ny mpampivelona: 10 isan’andro ny vehivavy bevohoka maty

10 isan’andro ny vehivavy maty eo am-piterahana na eo am-pitondrana vohoka noho ny tsy fahampian’ny mpampivelona. Mpampivelona 2,5 no miahy vehivavy 10000 isa eto Madagasikara. Nifampizara fahalalana tamin’ny mpanao gazety ny fikambanan’ny rasazy, omaly, teny amin’ny foiben’ny Nations Unies, Andraharo. Fihaona­na nokarakarain’ny UNFPA (Agence des Nations Unies pour la santé […]

Fanokafana ASIEF Analamanga : minisitera 9 nifaninana VTT sy hazakazaka

Natao ny alahady lasa teo, tetsy Anosy, ny fiadiana ny tompondakan’Analamanga ASIEF, taranja hazakazaka am-bisikileta sy atletisma. Ni­faninana ny minisitera 9 tamin’ireo 19. Niara-dalana tamin’izany ny fifaninanana VTT, nahitana minisitera 3 tamin’ireo 4 mpikambana. Hesika nampitondraina ny anarana hoe “Rodoben’ny firaisankina”. Ankoatra ny atletisma, anatiny koa ny fifaninanana ny taranja […]

« Coupe René Ramanitrandrasana » : nanjaka ny klioban’ny Karate Kokaju

Nanjakan’ny klioba Kara­te Kokaju, Analamanga, ny fiadiana ny amboaran’ny “Cou­pe Hanshi René Ramani­trandra­sana”. Nandrombaka medaly volamena miisa 7 sy alimo 6 ny klioba, nandritra ny fihaonana natao teny Ambatobe, ny sa­botsy lasa teo. Notolorana lelavola, 100. 000 Ar, miampy amboara avokoa ireo tompondaka isan-tsokajy. 50.000 Ar ny faharoa. Afa-po ny […]

Tae-kwon-do – «Open Chinjok»: nanjaka ny ligin’ Analamanga

Tontosa ny sabotsy 29 sy ny alahady 30 avrily lasa teo, teny amin’ny kianja mitafon’i Mahamasina, ny “Open”, ta­ran­­ja tae-kwon-do, nokarakarain’ny klioba Chinjok. Fi­hao­nana niarahana niasa tamin’ny ligin’Analamanga. Ady (Kirugi) no natao tao anatin’ny roa andro. Raha teo amin’ny vokatra, nanjaka ireo mpikatroka avy amin’ny ligin’ Ana­lamanga. Lasan’izy ireo avokoa ny fandresena […]

Kitra – «Orange Pro League 2023»: fantatra ireo hiatrika ny «Play-off»

Efa nalain’ireo ekipa valo avokoa ny tapakila hahafahana miatrika ny fifaninanam-pirenena “Playoff, OPL 2023”. Anisan’ireo ekipa nahazo izany farany ny Ajesaia Bongolava, izay avy ao amin’ny kaonferansy avaratra. Efa fantatra avokoa ny ekipa 8 tafita hiatrika ny “Play off” avy amin’ny kaonferansy atsimo sy avaratra, fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara “Orange […]