Natomboka tamin’ny fomba ofisialy, omaly, eny amin’ny Fofikri Ilafy, haharitra efarana ny “Fihaonamben’ny raiamandrenin’ny Malagasy”. Fivoriambe karakarain’ny fikambanana Laka, tarihin-dRakotondrasoa Noel. Mpiahy izany ny Antenimieran’ny andrian’Imerina na AAM, miaraka amin’ny Andriambe Randriamahary Hamona. Tanjona ny hananganana ny Antenimieran’ny raiamandreny ara-poko misy eto Madagasikara sy ny fampiraisana ny mpandala na ny […]
Taratra
Tontolon’ny Dihy: hisy ny “Festival” hokarakarain’ny minisitera mpiahy
Nomarihina ny 29 avrily lasa teo ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny dihy. Maro ny hetsika notanterahina teto Antananarivo. Nivoitra taorian’izany ny hikarakarakana “ Festival”. Ny 29 avrily teo ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny dihy. Ny alatsinainy 1 mey kosa no nomarihina izany, tetsy amin’ ny Ivokolo Analakely. Ankoatra ny fampisehoana, […]
ANTOKO MMM: « Tsy mbola natao laharam-pahamehana ny asa »
Anjaran’ny eny Atsimondrano indray ! Anisan’ny nambaran’ny filoha nasionalin’ny antoko Malagasy miara-miainga, Andrianainarivelo Hajo, teny Anosizato, omaly ny momba ny fetin’ny asa. «Tsy handroso ny firenena raha tsy mbola atao laharam-pahamehana ny asa sy ny fanabeazana, ary ny fahasalamana», hoy izy. Nanteriny fa tsy nisongadina ireo sehatra ireo, ka nampitotongana […]
Fanavaozana lisitry ny mpifidy : fitaovana azo kirakiraina ny rejisitry ny fokontany
“Fitaovana heverin’ny Ceni fa anisan’ireo antontan-kevitra azo kirakiraina amin’ny fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy ny rejisitra teo aloha eny anivon’ny fokontany.” Io ny fanazavan’ny mpampakatenin’ny Ceni, Andriamarotafika Soava, teny Alarobia, ny faran’ny herinandro teo, momba ny namoahan’ny Ceni ny lisitry ny mpifidy amin’ny fanavaozana isan-taona ny lisi-pifidianana (Ral) nefa […]
Rakotoarisoa Florent : “Tsy voatery hiteny hatrany ny HCC”
Mby aiza ny fitoriana momba ny tsy fahazoana manao famoriam-bahoaka ankalamanjana? Tsy voatery hiteny hatrany ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC), na hoe tsy mijery fotsiny aza. “Na miaro ny lalàmpanorenana aza izahay, tsy hiloa-bava isaky ny misy mihevitra na mieritreritra fa mihoa-pefy na manitsakitsaka ny lalàmpanorenana ny fahefana […]




