Nanaovana andrana sy fanehoana ny tetikasa Fyvary ny lemak’i Volidina, fokontany Antsahatanteraka, kaominina Ankadinondry Sakay, distrika Tsiroanomandidy. Nampiasana masomboly Fyvary 85 sy Fyvary 32 ny velaran-tany maherin’ny 20 Ha sady natao vala tahaka ny nanaovana ny teknika papriz. Natao izao hanatsarana ny voka-bary eo an-toerana sy ho fiaraha-miasa amin’ny tetikasa. […]
Taratra
Fiarovana ny tontolo iainana : hahazo famatsiam-bola 200 tapitrisa Ar ny tetikasa mendrika
Anatin’ny politikim-panjakana ny fandraisana andraikitra sy fampirisihana ny sehatra tsy miankina hiroso amin’ny fampiroboroboana maharitra ny harena voajanahary. Antony nahatonga ny ministeran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovainjafy, miaraka amin’ny ny BNI Madagascar niara-niasa. Natao sonia omaly, tetsy Ambodivona, ny fandaharan’asa BNI Lovainjafy. Araka izany, nisokatra niaraka amin’izay ny fifaninanana […]
Fananantany: mitaky ny hanajana ny zon’ny daholobe ny Sif
Amin’ny maha fikambanana fiarahamonim-pirenena (OSC) azy, mijoro eo anilan’ny vahoaka sy ny maro anisa hatrany ny Sehatra iombonan’ny fananantany (Sif). Nilaza ny mpandrindra mpanatanteraka (SE), Raparison Eric, omaly, fa maro ny olan’ny fananantany eto amintsika, fa azo adika fa saika mitovitovy amin’ireo tranga telo voarainy daholo izany. Aminy, tokony tsinjovina […]
Tetikasa G3D: miisa 143 ny kazarana hazo sarobidy vaventy fantatra
Sambany nisy tetikasa miompana amin’ny fikarohana siantifika, hamantarana ny karazany sy ny isan’ny hazo sarobidy, toy ny voamboana sy ny andramena ary ny volombodimpoina eto amintsika. Tandindonin-doza anefa izy ireny, ka ilaina ny fitantanana maharitra, nahatonga ny tetikasa G3D. Tohanan’ny Vondrona eoropeanina (UE) ny tetikasa «Fitantanana maharitra ny hazo sarobidy […]
Slam Poésie : miditra amin’ny fihodinana faharoa ny “Tour’nao”
Tanterahina ny sabotsy 6 mey 2023, eny amin’ny Institut Français de Madagascar, IFM, Analakely, ny hetsika “Tour’nao”, fihodinana faharoa. Fifaninanana Slam Poésie, karakarain’ny Madagaslam, Section Tana na MST izy ity. Mitovy amin’ny lalàna mifehy ny fifaninana Slam Poésie ihany no mifehy azy. Ny fisian’ny fihodinana isam-bolana kosa no mampiavaka azy. […]




