Mpijoko voajoko ! Indray voasambotra ireo roa lahy mpanambaka olona amin’ny alalan’ny fanaovana fandraikiraikena, tao Andoharanofotsy, afakomaly. Noho ny fahatongavan’ny vehivavy iray nitonontena ho lasibatra ny asa fisolokian’ireo lehilahy ireo. Nandray ny harona plastika nentin’ireo mpisoloky ny zanan’io ramatoa io lahy ary tsy tompon’ny tenany intsony taorian’izany. Lasan’ireo mpisoloky mora foana ny finday. Tadidin’ilay lasibatra anefa […]
Taratra
Ambalavao : vaviantitra namoy ny ainy tao anaty taksiborosy
Renim-pianakaviana iray 70 taona, namoy ny ainy tao anaty fiara taksiborosy nitondra azy, tao Ambalavao, afakomaly. Tsy nisy vola nitsaboana tena izy. Narary niala tany Mahajanga, namoy ny ainy tao anatin’ny fiara mpitatitra nitondra azy, tao Ambalalova, kaominina ambanivohitra Ambalavao, ny vaviantitra iray 70 taona, afakomaly maraina. Nikasa hihazo an’i […]
Vidin-jiro : orinasa 19 nahazo sarany manokana
Nomena sarany manokana amin’ny fanjifana ny herinaratry ny Jirama ny orinasa 19 misehatra amin’ny famokarana eto amintsika. Tafiditra amin’izany ireo orinasa lehibe indostrialy misahana ny famokarana lamba, ny famokarana simenitra, araka ny tatitry ny filankevitry ny minisitra, ny alarobia teo. Anisan’ ireo voatonona amin’izany koa ireo orinasa misehatra amin’ny fanodinana […]
“Bank to Wallet” : mampifandray ny Sipem banque sy ny Orange Money
Namoaka tolotra vaovao hanamorana ny fandefasana vola ny Sipem banque sy ny Orange Money. Misy ny tolotra “Bank to Wallet” ahafahan’ ny mpanjifa manana kaonty Orange Money sy manana vola eny amin’ny Sipem Banque misitraka izany. Hanamora ny fangalana sy fandefasana vola ny tolotra, noho izy ampiasaina amin’ny finday ihany. […]
Ambodin’Isotry : ho vita afaka 15 andro ny lalana
Miisa 43 ny lalana arenina eto an-dRenivohitra, ao anatin’ ny fandaharam-potoanan’ny minisiteran’ny Asa vaventy (MTP). Efa vita ny eny amin’ ny lalana By-Pass Ankadimbahoaka. An-dalana, efa vita 75% ny eny Ambodin’Isotry, Aigle Noir, izay hisokatra ho azo andehanan’ny fiara afaka 15 andro. Hitohy eny amin’ny Cnaps Ampefiloha, Tsaralalàna, Analakely indray […]




