Taratra

Ecole en Foot-ball : hiaro ny amboara azony ny LTC Ampefiloha

Hiditra amin’ny andiany faharoa ny “Ecole en foot-ball”, baolina kitra lalaovina olona 7, ho an’ny sokajy U16, U17, U18 hifanandrinan’ireo mpianatra amin’ny sekoly eto an-drenivohitra. Hotanterahina ny sabotsy 6 mey tontolo andro, eny amin’ ny kianja “synthètique” Ando­halo, izany fihaonana izany. Hiaro ny amboara azony amin’ ity ny LTC Ampefiloha […]

Karateka Malagasy: 154 ireo olona niofana tamin’i Hanshi René

Tonga nanome fiofanana ho an’ireo olona marobe tonga teny Mahamasina, i Hanshi Ramanitrandrasana René, Malagasy mpikatroka 10ème Dan. Anisan’ireo mpikatroka nasaina tao i Ylias Akbaraly, mpikatroka 5ème Dan amin’ity taranja ity ary filoha tale jeneralin’ny Redland. Miisa 154 mahery ireo olona tonga nana­trika ny fiofanana no­tarihin’i Hanshi Ramani­tran­­dra­sana René, Malagasy […]

Foko malagasy : hihaona ny tomponandraikitra

Nisy ny valandresaka ho an’ny mpanao gazety, nataon’ ny Antenimieran’ny Andriana Imerina, nampahafantarana ny hetsika ataon’izy ireo ny 2 mey hatramin’ny 5 mey 2023, eny amin’ny Fofikri Ankadikely Ilafy. Fifanakalozana ara-poko eto Mada­gasikara no hatao mandritra ny hetsika. “Maro ny zavatra hodinihina mandritra io fotoana io. Anisan’ny lehibe indrindra amin’ […]

2 andro etsy amin’ny Coliseum: tarika 50 mahery no hanafana ny «Torajofo »

« Torajofo ». Anisan’ireo hetsika goavana nanamarika ny tantaran’Antsonjombe, fony izy mbola toerana namovoka tokoa izany. Niato taona vitsivitsy ity seho goavana ity, saingy izao hiverina amin’ny endrika hafakely izao indray. “Natao hanamarihana ny faha-20 taonan’ny RDJ dia haverina ny hetsika, ho fanomezana ho an’ny mankafy. Tarika maherin’ny 50 no hifandimby an-tsehatra […]

Tarika Kiaka: hiavaka ny seho hatao

Tontosa omaly, teny amin’ny Pietra Hotel Analakely, ny valandresaka ho an’ny mpanao gazety, nampahafantarana ny fampisehoana hataon’ny tarika Kiaka. Ny Giant Event no mikarakara ny hetsika, hanatanterahana ny 11 jona 2023, eny Antsa­hamanitra. Ho hita ao avokoa ireo mpikambana nahafantarana ny tarika hatramin’izay, ankoatra an’i Jhonny, izay any ampitan-dranomasina. “An-kafalina […]