Mihantona ny asa fanarenana ny lalam-pirenena fahadimy (RN 5), amin’ny tapany mianavaratra. Miainga eo Soanierana Ivongo mankany Mananara Avaratra ary Maroantsetra. Velon-taraina ny mponina, indrindra ireo fiara mpampiasa lalana. Lasa ataon’ ny mponina fitadiavam-bola ny fampiasana ny tetezana sy ny fiampitana amin’ny zahatra (lakana vita amin’ny volobe) any amin’ireo toerana […]
Taratra
Minisitra Ramilison Harifidy: tsy tokony hanafatra vary any ivelany isika
Karohina ny vahaolana maharitra hikojakojana ny lemaka voatondraka eto amintsika. Tokony ho ampy tsara ny voka-bary eto an-toerana, raha voakojakoja araka ny tokony ho izy ny fotodrafitrasa ara-pambolena. Atao eto Antananarivo, ny 27 sy 28 avrily izao, ny atrikasa ho fitadiavana vahaolana maharitra amin’ny fikojakojana ireo lemaka voatondraka eto Madagasikara. […]
Mihena ny fanaovam-baksiny: 200 ny tranga vaovao amin’ny poliomelita voatily
Nanomboka ny volana septambra 2020 ka hatramin’izao, 200 ny tranga voatily teto amintsika ary tsy ny ankizy madinika ihany no tratrany fa hatramin’ny tanora. Nahitana tranga iray niseho tamin’ ny olona efa 24 taona. Teto Antananarivo, amin’ny distrikan’Atsimondrano no nahatiliana ny tranga farany, araka ny fanazavan’ny tomponandraikitra ao amin’ny Unicef, […]
Haraton’aina : fandaharanasa telo manarina ny marefo
Tanterahina ao Toamasina, nanomboka omaly, ary haharitra 3 andro, ny herinandron’ ny haraton’aina, tanterahin’ny minisiteran’ny Mponina. Hetsika hanasongadinana ny tetikasa “Haraton’aina” sy fampahafantarana ny olona ny karazana tohana misy. Fiahiana ny mpiara-belona amin’ny alalan’ireo fandaharanasa 3 lehibe ny haraton’aina. Mamaly ny fanatanterahana ny politika ankapoben’ny fitondram-panjakana amin’ny fanarenana ny fiainan’ny […]
Kaominina Antananarivo renivohitra: mpitantana “bloc sanitaire” 71 ihany no nahafa-po
Tsy ara-dalàna ny fitantanana fotodrafitrasa eny anivon’ny boriborintany sasany eto Antananarivo. Mpitantana “bloc sanitaire” 71 ihany no nahafa-po amin’izany. Manampy amin’ny fanaraha-maso izany ny fanaovan-tsoniam-piaraha-miasa, natao omaly. Vita omaly, tetsy amin’ ny Lapan’ny tanàna Analakely, ny soniam-piaraha-miasa teo amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra sy ireo mpitantana “borne fontaine” sy “bloc sanitaire”. […]




