Tambajotra mpikirakira rongony voasambotry ny zandary, ny 24 avrily teo. Taksiborosy iray avy any Ambatolampy, nitondra moto tao ambonin’ny fiara no voasava teo amin’ny PK 18, RN7, teo Ambatobevohoka, kaominina Bongatsara, distrikan’ Antananarivo Atsimondrano. Tsy nahitana taratasy na iray aza mahakasika io moto io. Notazonina ny lehilahy voatondro ho mitondra […]
Taratra
Varotra amin’ny « facebook » : roa lahy mpanao trafikana « Skunk » nosamborina
Natolotra ny fampanoavana, omaly, ireo roa lahy voarohirohy ho tompon’antoka tamin’ny fivarotana zava-mahadomelina mahery vaika “Skunk”. Voasambotry ny polisy misahana ny ady amin’ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina (Stup) teny By-Pass, tamin’ny alahady maraina, izy roa lahy. Nahazo loharanom-baovao ny polisy (Stup) fa misy olona mivarotra “Skunk” eny Imerintsiatosika. Nametraka ny vela-pandrika avy […]
Tratran’ny angaredona : saika maty i Rica, nangala-bola iray gony
Tra-tehaky ny fokonolona ka niharan’ny fitsaram-bahoaka ny jiolahy iray, antsoina hoe Rica, afakomaly. Nandroba vola iray gony izy sy ny namany. Tsy lasa lavitra fa vao nikasa hitsoaka dia efa voasambotra i Rica, jiolahy raindahiny. Avy nangalatra vola iray gony tao amin’ny tsena Ambalasoaray izy sy ny namany, afakomaly. Lasibatra […]
Rakotoarisoa Jean Claude: « Tsy tokony hokitihina ny kianjan’Anosimasina »
«Manao antso avo sy mangataka amin’ny Filoham-pirenena malagasy, Rajoelina Andry Nirina, izahay, mba tsy hovaina «terrain synthétique» ny kianjan’Anosimasina fa mba hatao bozaka ihany», hoy Rakotoarisoa Jean Claude, tomponandraikitra ao amin’ny klioba XV FA, teny Ampasika, ny zoma 21 avrily lasa teo. Nohamafisin’ity tomponandraikitra ity fa tsy mitsipaka ny tetikasa […]
« Mibala Tournament » : nanome aina ny fifaninanana ireo mpanohana marobe
Nifarana ny alahady lasa teo, tetsy amin’ny Lapan’ny kolontsaina sy fanatanjahantena Mahamasina, ny andiany voalohany amin’ny “Mibala Tournament”, taranja basikety. Betsaka ny zavatra tsy nampoizina, hoy ny mpikarakara, indrindra ny fanohanan’ny mpijery izay nanome aina tanteraka ny fifaninanana. «Tsapa rehefa nanao ny fandinihana izahay fa ireo ekipa tena be mpanohana […]




