Taratra

Distrikan’i Vangaindrano : fianakaviana manodidina ny 1 000 hotohanana ara-tsakafo

Sahirana amin’ny sakafo ny mponina ao amin’ny distrikan’i Vangaindrano taorian’ny fandalovan’ny rivodoza farany teo. Hidina any an-toerana ny ekipan’ny BNGRC hitondra vary hamonjena azy ireo. Hanainga amin’ny he­rinandro ambony ny fiara hitondra sakafo ho an’ireo fianakaviana tratran’ny hanoanana ao amin’ ny distrikan’i Vangaindra­no, araka ny fanambaran’ny tale jeneralin’ny BNGRC, ny jeneraly Andriakaja […]

Fitaterana an-dranomasina : mila havaozina ireo seranan-tsambo maro

Anisan’ny lohany eran-tany amin’ny fitaterana an-dranomasina ny Vondrona CMA CGM, izay am-polo taona maro taty amin’ny ranomasimbe Indianina. Mihena ny asan’io orinasa io ankehitriny eto Madagasikara noho ny tsy fahampian’ny seranan-tsambo mihodina tsara, an­koatra ny any Toamasina sy Ehoala any Taolagnaro. Amin’izao fotoana izao, mbola olom-bitsy no mahazo sitraka amin’ny […]

Fampiroboroboana ny toekarena: 95 %-n’ny kaontenera ao Toamasina

Manana anjara toerana le­hibe amin’ny toekarena eto Ma­dagasikara ny seranan-tsam­bon’i Toamasina, lehibe indrindra. 63 ha mbola nitarina. 640 tapitrisa dolara ny tetibidin’ny asa fanamborana, nahazoana famatsiam-bola avy amin’ny fiaraha-miasa iraisam-pirenena japoney (Jica), 411 tapitrisa dolara averina anatin’ny 40 taona ; ny ambiny avy amin’ny fanjakana malagasy. Mian­draiki­tra ny tetikasa ny APMF […]

Fitaterana an-dranomasina: tsy ampy ny seranan-tsambo manara-penitra eto Madagasikara

Nosy i Madagasikara. Fitaterana an-dranomasina no miantoka ny ampahany be indrindra hatramin’ny fanjanahantany amin’ny ny entam-barotra. tonga eto an-toerana. Misy ireo entam-barotra entin’ny sambo araka ny ilàna azy, misy ireo entana taterin’ny sambo ara-potoana voafaritra mialoha. Miankina amin’ny seranan-tsambo ny fitaterana. Karazana sambo mpitondra entana maro no tonga eto an-toerana […]