Taratra

Basikety-Analamanga : hohamafisina ny fanajana ny fitsipika

Nanokatra ofisialy ny taom-pikatrohana 2023, teny Ankatso, ny sabotsy lasa teo, ny ligin’Analamanga, taranja basikety. Nisy ny filatroana nataon’ny klioba rehetra mandrafitra ny ligy nanombohana izany ary nitohy tamin’ny lalao. Hanome ny tsara kokoa noho ny tamin’ny taon-dasa ny ligin’Analamanga amin’ity taona 2023 ity, izay nanambara fa hohamafisina ny fanajana […]

FederasiOn’ny baolina kitra : sahirana mitady mpanazatra ho an’ny Barea “A”

Raha tsy misy ny fiovana, ho fantatra amin’ity herinandro ity ny anaran’izay ho mpanazatra ny Barea de Madagascar “A”. Efa manao fakan-kevitra etsy sy eroa ny ao amin’ny Federasiona malagasy (FMF), ny amin’izay handimby an’i Nicolas Dupuis, nametra-pialana noho ny tsy fahombiazana. Sahiran-tsaina ny tomponandraikitra eo anivon’ny Federasiona malagasin’ny baolina […]

Ambohimanambola : mihatra ny « couvre-feu »

Namoaka didy ny kaominina Ambohimanambola fa mihatra ny « couvre-feu » na tsy fahafahana mivezivezy mandritra ny fotoana voafetra, nanomboka omaly. No­raisina izany fanapahan-kevitra izany noho ny tsy fandriampahalemana nisesy tao an-toerana. Tsy azo atao, araka izany, ny mivezivezy ao anatin’ny kaominina Ambohimanam­bola manomboka amin’ny 9 ora alina ka hatramin’ny 3 ora maraina. Ireo […]

Firenena 4 anatin’ny COI: hamafisina ny fitantanana ny loza sy ny tandindon-doza

Manao atrikasa mandritra ny hateloana eto Mada­ga­­sikara ny firenena 4 ao anatin’ny vondron’ny ranomasimbe indianina : Mada­gasikara, Maurice, Comores ary Seychelles momba ny fanamafisana ny fahazai-miatrika sy ny fitantanana ny asa rehefa misy loza na voina aty amin’ny ranomasina indianina. Tanjon’ny fi­haonana ny fanombanana ny fandrosoan’ny fandaharanasa iraisan’ny firenena mpikambana sy […]

Fikambanana Malaza ny Gasy : ankizy sahirana 5 500 raisina an-tanana

Mahatratra 5500 ireo ankizy sahirana raisin’ny fi­kambanana Malaza ny Gasy an-tanana manerana ny Nosy. Mahatratra 250 ireo mpanabe mampianatra azy ireo. Manampy sy mampianatra ireo ankizy sy tanora sahirana manerana ny Nosy, indrindra ny ankizy kere any amin’ny faritra Atsimo ny fikambanana, amin’ny alalan’ny “Ecole de la chance”. “Mbola misedra olana ny […]