Manodidina ny 1 000 ireo miaramila mandray anjara anatin’ny sarinady Ivondro 2023, izay hatao ao amin’ny faritra Atsinanana, manomboka ny 28 avrily izao. Hisantatra ity sarinady ity ny filatsahana an’elonaina hataon’ny Tafika avy anaty fiaramanidina ao Toamasina Renivohitra. “Tsy manakana ny besinimaro tsy hijery ny sarinady izany saingy iangaviana tsy […]
Taratra
Mifamahofaho
Tsy hita beny ihany ity raharaham-pirenena ity ! Fanina ny mpitazana mijery ny fihetsiketsehana teknika sy politikan’ny mpikirakira izany. Mifaninana amin’ny famoriam-bahoaka mandritra ny fitetezam-paritra. Manginy fotsiny ny fitetezana ireo firenena tombanana ho manana fahefana amin’ny fifehezana ny jeopolitika iraisam-pirenena. Samy mampidera fa manana ny holaniana, hisehosehoana etsy sy eroa. […]
67 ha Atsimo: nirefotra ny basy, jiolahy iray maty voatifitra
Teo am-pikasana hanao fanafihana mitam-piadiana, lavon’ny polisy ny jiolahy iray tetsy 67 ha Atsimo, omaly atoandro. Tafaporitsaka ny namany iray hafa. Nirefodrefotra ny basy tetsy 67 ha Atsimo akaikin’ny parking, omaly atoandro. Jiolahy roa nitondra basy no nifanenjehan’ny mpitandro filaminana. Araka ny nambaran’ny nanatri-maso, nitondra moto fotsy ireto olon-dratsy ireto. […]
Tsarahonenana : jiolahy 4 tratra namaky trano
Ravan’ny polisy tao Tsarahonena, afakomaly, ireo jiolahy raindahiny amin’ny fanendahana miharo vaky trano. Voalazan’ny polisy fa ry zalahy ireto no tompon’antoka amin’ny fanendahana ao an-tampon-tanànan’i Toamasina. Miezaka mamerina ny fandriampahalemana ireo polisy ka miasa andro aman’alina, izao nahitam-bokany izao izany. Naharay antso avy amin’ny tompon-trano niharan’ny asa ratsy ny polisin’ny […]
Tambajotra goavana: olona 10 nahatrarana rongony 40 gony
Rongony milanja 703, 150 kg saron’ny zandary tao Manakara, omaly. Nahazo loharanom-baovao avy tamina tsara sitra-po, nanao fisafoana tao an-tampon-tanàna ny zandary ao an-toerana izay tarihin’ny kaomandin’ny vondron-tobim-paritra Manakara, ny kapiteny Rakotomalala Judicaël. Tra-tehaka tao an-drenivohitra ny ampahany tamin’ireo zava-mahadomelina ireo. Nofongarina tany amin’ny kaominina hafa toy ny Sahasinaka, Lokomby, […]




