Nahitam-bokany sahady ny dian’ny filohan’ny Antenimieran-doholona (PS) tany La Réunion sy Frantsa farany teo. Nivaly ny fangatahan’ny ben’ny Tanàn’i Fihaonana, distrika Ankazobe, vokatry ny fiaraha-miasa eo amin’ity andrim-panjakana ity sy ny mpiara-miombon’antoka iray atsy La Réunion, hamatsiana jiro sy rano fisotro ity kaominina ity. Tonga tany an-toerana ny zoma 21 […]
Taratra
Dr. Rabemananjara Alexis: « Ilaina ny fampiasam-bola tsy miankina any Toliara »
Mila ovaina ny hatramin’ izay ! Notsorin’ny Dr. Rabemananjara Alexis fa mila trandrahana ny harena voajanahary mba hitondra fampandrosoana any Toliara. Dokotera mpitsabo ny ankizy, misotro ronono, izy sady sojaben’ny mpandraharaha ara-toekarena any an-toerana. Mila ahodina eo an-toerana ny harena ambanin’ny tany, satria mba mahazo tombontsoa koa ny mponina izay efa […]
Bombetoka Beloboka, Mahajanga II: hampandroso an’i Boanamary ny faritra arovana
Misy ny tetikasa entina hiarovana ny faritra arovana any Bombetoka Beloboka, 36 km miala an’i Mahajanga raha an-tanety ary 12 km raha an-dranomasina. Nitsipozipozy ny fiainan’ny mponina taorian’ny nikatonan’ny orinasa mpanao simenitra Amboanio. Anisan’ny vahaolana entina hampandrosoana azy indray ny lafiny tontolo iainana sy ny fizahantany. Faritra nandroso tany aloha […]
Tarika Soa (LudySoa sy Nathan) : 20 mahery ny hira hoentina an-tsehatra
Ho tonga tsy ho ela eto an-tanindrazana ry LudySoa sy Nathan mandrafitra ny tarika Soa. Fantatra fa hanatanteraka fampisehoana etsy amin’ny CCEsca Antanimena izy mianadahy, ny 20 mey izao manomboka amin’ny 2 ora sy sasany tolakandro. Mahatratra 20 mahery ny isan’ny hira hoentin’izy ireo eny an-tsehatra amin’io fotoana io. Ao […]
Fanoratana sy famoronana : hisy ny atrikasa iarahana amin-dRalantoaritsimba Nirina
Hotanterahina rahampitso, eny amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy, ny atrikasa mahakasika ny fanoratana, karakarain’ny Academie Nationale des Arts et de la Culture , ANAC, eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina. Atrikasa natao ho an’ny mpanoratra sy ny maniry hiditra eo amin’ny sehatry ny fanoratana izy ity. Ralantoaritsimba Nirina, mpanoratra sy […]




