Taratra

Tontolo ara-barotra : Ilaina ny fahaiza-miresaka sy mandresy lahatra ny mpanjifa

Niatrika fiofanana voalohany, tetsy Antaninarenina, ireo mpandraharaha handray anjara mandritra ny «Salon International des Acteurs Economiques» (SIAE), ny sabotsy teo. Niofana mikasika ny firesahana sy fandresen-dahatra manoloana ireo mpiara-miasa sy mpanjifa ho avy hanatrika ny hetsika izy ireo. Tanjona ny mba hahafa-po ny mpanjifa, avy eto an-toerana sy avy any […]

QMM : mitombo ny mpanjifa fasimainty

Tsy mijanona intsony amin’i Canada, efa misokatra amin’ny firenena maro ny sehatry ny fandraharahana ny fasimainty na «ilménite» ho an’ny orinasa QMM anatin’ny vondrona Rio Tinto. «Nitom­bo ny mpanjifa ary niampy ireo firenena mandray ny vokatra amin’izao fotoana», hoy ny tomponandraikitry ny serasera eo anivon’ny orinasa, i Andry Francis. Anisan’ny […]

Tsy maharaka ny famatsian-tsolika : miverina indray ny delestazy amin’ny faritra maro

Mahery vaika ny fahatapahan-jiro amin’ny faritra maro manerana ny Nosy. Tara ny famatsian-tsoliky ny orinasa jirama. Miezaka mitady vahaolana haingana ny orinasa. Misy olana ny fama­tsian-tsoliky ny orinasa jirama amin’ny distrika maromaro manerana ny Nosy. Vokany, voatery mampihatra ny fanapahan-jiro mifandimby na ny “délestage tournante” ny orinasa anatin’ny andro vitsy. […]

Kaominina Anosiala sy Ambohidratrimo : nianatra ny paikady fitadiavan’asa ny tanora

Ambohipihaonan’ireo tanora hiditra amin’ny sehatry ny asa ny teny Ambohidra­trimo, ny sabotsy teo. Nam­piofana ny tanora indray ny LCS, izay tarihin’i Fenozana­ny Stephanie sy ireo ekipa miaraka aminy. Nianatra manokana ny paikady fiatrehana ny fitadia­van’asa izy ireo tamin’izany. Nampiakatra ny fahaizana sy ny faharisihana hisehatra amin’ny asa ny fifehezana ireo […]

OMS Genève sy Afrika : nohamafisina ny fiaraha-miasa ara-pahasalamana

Nitsidika an’i Madaga­sikara ny OMS Genève sy Afrika, ny faran’ny herinandro teo. Niompana tamin’ny fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny sehatry ny fahasalamana ny anton-dian’izy ireo. Teboka maromaro no na­voitra hanatsarana ny kali­taon’ny fitsaboana. Nojerena manokana ny fanatsarana ny paikady hampihenana ny ta­ham-pahafatesan’ny reny sy ny zaza eto Madagasikara. Mbola ambony […]