Nizotra araka ny tokony ho izy, ny faran’ny heriandro teo, tetsy amin’ny kianja mitafon’Ankorondrano, ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, Minimes, Juniors, Cadets, Seniors ary Vétérans, taranja Judo. Navitrika ny mpikatroka, nandritra ny 3 andron’ny fifaninanana ary nampiseho ady matihanina. 400 mahery no nifaninana, avy amin’ny ligim-paritra 8. Raha ny vokatra, […]
Taratra
“Mihamy Mada Fashion”-Toamasina : nasongadina ireo mpamoron-damaody
Tontosa ny fanamby! Nikatona ny alin’ny sabotsy teo, tao Toamasina ny andiany fahefatra amin’ny “Mihamy Mada Fashion”. Hateloana nanomezan-danja ny sehatry ny haihaingo sy lamaody ny hetsika. Raha toa ka teto Antananarivo hatrany ireo andiany telo voalohany, nosafidiana manokana i Toamasina mba hanasongadinana ireo mpamoron-damaody sy ny akora avy any […]
Tarika AmbondronA : nampifandray ny Malagasy, miavaka ny tarika matihanina
Tsy ho voakosoka ny tantara mipetraka! Olona mifety sy miara-paly no nameno ny Kianjan’ny 13 mey. Nampiray fo ny Malagasy ny sehon’ny tarika AmbondronA teo Analakely, omaly. Firaisam-po sy saina. Izay no azo ilazana ny zava-niseho teo Analakely nandritra ny fampisehoana nataon’ny tarika AmbondronA, omaly, nanoloana ny Lapan’ny Tanànan’Antananarivo. Seho […]
Radimbielson William : “Ilaina ny rafitra hanaraha-maso ny mpitondra”
“Ny endriky ny tolona vaovao: inona ny rafitra hapetratsika hahazoana manara-maso akaiky an’ireo olona nirahina hampiasa fahefana? Hatrany an-tampony ka hatraty ambany izany. Satria misy ny fanodinkodim-bola hatrany ambony.” Io ny fanehoan-kevitry ny filohan’ny fikambanana Fitaizana vatana tomady (Fivato), Radimbielson William. Lasa malemy tsy manam-bola ny fanjakana noho ny fanodinkodinam-bola, […]
Zaikabe : tsy miova foto-kevitra ny Otrikafo
“Ny mpitarika ny antoko no miova, fa mitoetra hatrany ny foto-kevitra”, hoy ny filoha nasionaly vaovaon’ny Otrikafo, Rabevahiny Elia, taorian’ny famaranana ny zaikabe nasionalin’ny antoko teny amin’ny foibe toerany, Andravoahangy Ambony, ny faran’ny herinandro teo. Efa natomboka tany amin’ny faritra tamin’ny taon-dasa ny zaikabe, ka fifidianana sy fampahafantarana ny birao […]




