Taratra

Basikety – N1A Mada 2023 : natao hifantenana ny ekipam-pirenena

Ho fiatrehana ny lalaon’ny Nosy 2023 sy ny lalaon’ny firenena miteny frantsay “Jeux de la Francophonie”, hisy ny fitiliana mpilalao handrafitra ny ekipam-pirenena malagasy mandritra ny fifaninanana N1A, lahy sy vavy. Hotanterahina any amin’ ny kianja mitafo Vato­fotsy Antsirabe, ny 15-23 avrily ho avy izao, ny fifaninanana nasionaly, taranja basikety […]

Harena an-dranomasina : nitsangana ny tetikasa “Îles Barren”

Hikajiana ny tontolo iainana an-dranomasina sy hampaharitra azy. Hampiakarana ny fari-piainan’ny mpanjono ma­dinika, ireo no tanjona napetraka amin’ny fanaingana ny tetikasa “Îles Barren” ao am­pitan’i Maintirano sy ny ao amin’ny “Réserve de Biosp­hère” Tsimanampetsotse Nosy Ve-Androka. Omaly, nisy ny atrikasa momba ireto tetikasa roa lehibe ireo izay iarahana amin’ny WWF […]

“Spring meetings 2023” : nandray anjara tamin’ireo programa enina i Madagasikara

Notontosaina nanomboka ny alatsinainy 10 avrily, tany Washington ny “Spring Mee­tings”. Fivoriam-be isan-tao­na fanaon’ny Banky iraisam-pirenena sy ny Tahirim-bola iraisam-pirenena miaraka amin’ireo mpiara-miasa sy mpifanaraka ara-bola aminy rehetra. Nandray anjara amin’izany ny firenena malagasy izay tarihin-dramatoa Rabari­ni­­rinarison Rindra Hasimbelo, minisitry ny toekarena sy ny fitantanam-bola sy Andria­narivelo Aivo, governoran’ny Banky […]

Fanitsiana ny “code minier” : vahaolana sy fanamby avy amin’ny fanjakana

Nasiana fanitsiana ny lalàn’ny « code minier » taorian’ny tatitry ny filan-kevitry ny minisitra, ny talata teo. “Mikasa ny hametraka rafitra ara-dalàna mba hahatonga ny sehatry ny harena an-kibon’ny tany ho fanohitry ny fampandrosoana an’i Madaga­sikara ny fitondram-panjakana malagasy”, araka ny tatitry ny filan-kevitry ny minisitra hatrany. Notsipihiny fa ny fanitsiana ny […]

Misondro-bidy hatrany: tafakatra 4.100 Ar ny kilaon’ny vary gasy

Tao anatin’ny tapa-bolana, indroa niakatra sahady ny vidim-bary. Teo aloha raha 4.000Ar ny kilaon’ny vary eto an-toerana, misy sahady ireo mivarotra izany ho 4.100 Ar ny vary mena. Tao anatin’ny herinandro vitsy, tsy mitsaha-miakatra ny vidim-bary eto amintsika. Ankehitriny, tafakatra 4.100Ar ny kilaon’ny vary gasy mena “Tsy mbola midina ny […]