Taratra

Ny vava no tsy atao be!

Sasatry ny manarina sy mifona ary miala tsiny ireto mpitondra manohana ny Filoham-pirenena. Niteraka fahakiviana sy tabataba, omaly, ny kabary nataon’ny filoha lefitry ny Antenimierampirenena, voafidy tany Antsiranana. Tsy hotaterina na averina eto izay voalaza mba ialana amin’ny fivoizana izay efa tsy nanjary nataony. Ny asiana tsindrim-peo kosa anefa, fomba […]

Nikasa hamindra razana… : olona 3 sempotra maty tao am-pasana

Andro miditra! Olona telo indray namoy ny ainy vokatry ny famonjena olona telo hafa (vehivavy roa sy lehilahy iray) sempotra tao am-pasana tao Ambohimahasoa, omaly… Nampivarahontsana! Lehilahy telo indray maty tao am-pasana tao Ambodihady Imasy, fo­kontany Andoharondra, kaominina ambanivo­hitr’Am­pitana, dis­trikan’Ambohimahasoa, omaly tamin’ny 1 ora tolakandro. Araka ny fampitam-baovao voaray avy […]

« Ligue des Champions »: sarotra ho an’ny Chelsea ny lalao miverina

Lavon’ny Real Madrid espaniola, tamin’ny isa 2 no ho 0 ny Chelsea anglisy, nandritra ny lalao ampahefa- dalana mandroson’ny « Ligue des Champions 2023 » (LDC). Fihaonana natao tao amin’ny kianjan’ny Santiago Berna­beu. Araka izany, hita fa somary hanahirana an’ny Chelsea ny lalao miverina, izay atao any amin’izy ireo, ny talata 18 […]

« Orange Pro Ligues » : efa misy ekipa efatra tafita amin’ny “Playoff”

Ny ekipan’ny Fosa Junior Boeny, ny Cosfa Analamanga, ny CFFA Andoharanofotsy, ny Elgeco Plus Analamanga no efa tafita amin’ny fifanintsanana “Playoff 2023”, “Orange Pro Ligue” (OPL), taranja baolina kitra, hatramin’izao. Ho fantatra amin’ny faran’ny herinandro ho avy izao ireo klioba efatra hanampy azy ireo amin’ity dingana mana­raka ity. Tsiahivina fa […]

Barthes Trophy – U20 : hihaona i Tonizia sy i Madagasikara

Ny ekipam-pirenen’i To­nizia no hifanandrina amin’ny Makis an’i Madagasikara, man­­dritra ny andro voalohan’ny fifanintsanana “Bathes Trophy 2023”, taranja rugby, sokajy zandriny (U20) lehilahy. Fi­faninanana hotanterahina any Nairobi Kenya, ny 22 hatramin’ny 30 avrily ho avy izao. Marihina fa hanomboka amin’ ny 2 ora any Kenya ny lalaon’ ny roa tonta. […]