Miaina ao anatin’ny mandeha ho azy ny Malagasy. Na, jambenan’ny fiainana mafy ka tsy mahita zavatra hafa. Toa tahaka ny anio ihany ny hiatrehana ny ampitso. Tsy tsapan’ny Malagasy fa miala miandalana amin’ny lamina voajanahary izy. Miala tsikelikely amin’ireo maha izy azy. Tsy fantany intsony ny momba azy. Mety ho […]
Taratra
Fiombonana: “Didy jadona raha tsy afa-maneho hevitra ny tsirairay”
“Jadona raha tsy afa-maneho hevitra ny tsirairay. Tsy tena fanehoan-kevitra no voizin’ny antoko manao famoriam-bahoaka, fa fanentanana hisoratra ao anatin’ny lisitry ny mpifidy.” Io ny fanehoan-kevitry ny sekretera jeneralin’ny Fiombonana, Retogniane Durlin. Eo koa ny fampahatsiahivana an’ireo nisoratra anarana hanamarina ny anarany. Tanjon’ny Ceni ny mpifidy voasoratra anarana 13 tapitrisa. […]
Ramamimampionona Gérard : “Tsy atao hampizara ny politika”
“Ny tena zava-doza amin’izao fotoana izao: noho ny politika, mizarazara isika Malagasy ary samy manana ny lokony. Mila tsy ho haintsika ny miaina amin’ny fametrahana ambony ny soatoavina hoe: loko iray ihany isika dia Malagasy, ra iray sy aina iray ihany no mampiombona antsika. Izay aloha no apetraka ambonin’ny politika, […]
Tsingerin-taona fahadimy: nanadio tanàna ny Hiaraka isika tao Toliara
Tafiditra amin’ny fanamarihana ny fahadimy taonan’ny antoko Hiaraka isika ny hetsika fanaovana asa sosialy. Anisan’izany ny nanatanterahana ny “Tagnamaro – fafa faobe” sy ny fandokoa , nataon’izy ireo teo amin’ny lalana “Ambroise Vital”, miainga avy eo amin’ny zandarimaria Sanfily mankany amin’ny lalana mihazo ny Jirama. Nitarika izany ny filoha nasionalin’ny […]
Mihava Tour tany Andapa : nihaino ny olan’ny vahoaka ny depiote Siteny
Nihaino ny feon’ireo vahoakan’ny faritra Sava koa ny depiote Randrianasoloniaiko Siteny amin’ny alalan’ilay hetsika « Mihava Tour ». Tany Andapa izy ireo, omaly, niaraka amin’ireo depiote maromaro. Notanisain’ireo olona nitafa mivantana taminy ny olana eo amin’ny lavanila, ny tsy fandriampahalemana, ny fanabeazana, ny fihanaky ny kolikoly. “Aza ampanantenana ny tsy ho vita […]




