Taratra

Depiote Razakandrainy: “Mila mitandrina isika”

“Raha isika no hampitovy ny demokrasia aty amin’ny tany an-dalam-pandrosoana sy ny demokrasia any amin’ny firenen-dehibe efa lasa lavitra amin’ny fandrosoana, handeha ila ihany ny fomba fijery. Mbola marefo ny demokrasia eto amintsika, ary mila fitandremana ny fampiasana an’izay tena hoe demokrasia izay.” Io ny fijerin’ny depiote voafidy tany Sakaraha, […]

Cua – Asa sosialy : ankizy 318 tsy manan-kialofana nizarana sakafo mafana

Nizarana sakafo mafana ireo ankizy 318 tsy manan-kialofana ao amin’ny ivontoerana Madcap Isotry sy Seba Antohomadinika, omaly. Nisy ny fiaraha-miasa eo amin’ny kaominin Antananarivo Renivohitra sy ny minisite­ran’ny Mponina ary ny Léo Club Antananarivo Ravinala, nahafahana nanao ny hetsika. Tanjona ny hanampiana sy hikarakarana ireo ankizy tsy manan-kialofana ireo, raha […]

Mila voatsiary!

Resabe tao amin’ny tambajotran-tserasera ny mikasika ny famoahana pasipaoro eny amin’ny polisim-pirenena Anosy. Nitombo ny fepetra sy ny antontan-taratasy ilaina mba ahafa­hana misitraka izany. Nitondra fanambarana miezinezina mihitsy ny tomponandraikitra voalohany, lehiben’ny sampandrahara­han’ny fanaovana pasipaoro. Fanazavana izay niteraka fana­kianana mavaivay, indrindra amin’ny voalazan’ireo mpitsikera sy mpanao fanamarihana fa tsy fahafehezana […]

Filoha Rajoelina Andry tany Sambava : « Harovantsika ny tantsaha mpamokatra lavanila »

Nihaona tamin’ireo mpisehatra rehetra eo amin’ny tontolon’ny lavanila ny filoha Rajoelina Andry, omaly, tao Sambava. Nivoitra tamin’izany ireo fepetra sy ny fije­rena manokana ireo tantsaha, mba hahazoan’izy ireo tombony. Nitafa mivantana tamin’ ireo rehetra tafiditra amin’ny seha-pihariana lavanila ny Filoha sy ny Prai­minisitra. Nohenoina avokoa ireo hetaheta sy olana ho […]

Talatamaty : 5 lahy tratra nangalatra moto

Voasambotry ny zandary avy ao amin’ny tobim-paritra Talatamaty, omaly, ireo dimy voarohirohy ho tompon’antoka tamina halatra moto. Araka ny fampitam-baovao voaray avy amin’ny zandary, nikasa hivarotra moto tsy misy taratasy teny amin’iny faritra Talata­maty iny ry zalahy. Efa nahazo angom-baovao mialoha anefa ny zandary ka nametraka ny paikady rehetra hahafahana […]