Miara-mientana hatrany ny mpitandro filaminana (Tafika, zandarimariam-pirenena, polisim-pirenena) amin’ny fametrahana fandriampahalemana maharitra, indrindra amin’izao ankatoky ny fotoam-pifidianana izao… Nivory teny amin’ny minisiteran’ny Fiarovam-pirenena, afakomaly, ireo minisitra telo eo anivon’ny governemanta misahana ny fiarovana sy ny fandriampahalemana, nahitana ny minisitry ny Fiarovam-pirenena (MDN), ny Jly Rakotoarijaona Josoa, ny minisitry ny Filaminam-bahoaka, […]
Taratra
Ikongo : EPP efatra nahazo efitrano fianarana
Nahazo efitranon-tsekoly misy trano fianarana efatra ny EPP Antavolo, EPP Amboangisay, EPP Vohitsivalana ary ny EPP Ambohimaragna ao amin’ny fari-piadidiam-pampianarana Ikongo. Nanaovana ny lanonana fandraisana ny fotodrafitrasa ny EPP Antavolo ary tonga nitokana izany ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena, Sahondrarimalala Marie Michelle, niaraka tamin’ ny solontenan’ny mpiara-miombon’antoka, ny Organisation internationale du […]
Hetsika « AmbondronA araBé »: harindra ny fifamoivoizan’ ny fiara eo Analakely
Hotanterahina ny alahady izao, eo amin’ny Parvis Analakely, ny fampisehoana maimaimpoana «AmbondronA araBé», tanterahin’ny tarika AmbondronA, izay tafiditra ao anatin’ny fanamarihana ny faha-20 taona nihiran’ny tarika. Nametraka lamina manokana ny kaominina Antananarivo Renivohitra handrindrana ny fifamoivoizan’ny fiara eny an-toerana. Tapaka ho an’ny fifamoivoizan’ny fiara rehetra, araka izany, ny Araben’ny Fahaleovantena, […]
Management au projet innovant -Iscam : fampiofanana ampitain-davitra ho an’ny mpiasa
Namolavola fiofanana hahazoana ny mari-pahaizana «Master II» ho an’ireo olona efa manana ny diplaoma «Licence» ny sekoly ambony Iscam nanomboka ny taona 2022. Maharitra herintaona ny fiofanana momba ny fitantanana, fomba itondrana ny orinasa na koa fanokafana fihariana vaovao (Management au projet innovant-Mapi)… «Natokana ho an’ny olona efa manana traikefa […]
Tazomoka : distrika 5 hamendrahana odimoka
«Fotoana izao hanafoanana ny tazomoka : milofosa, mitadiava paikady vaovao, miasà». Lohahevitra voizina mandritra ny fanamarihana ny Andro maneran-tany iadiana amin’ny aretina tazomoka, ny 25 avrily ho avy izao. Nanazava ny teknisianina avy ao amin’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, Ramandimbiarijaona Herizo, fa hiompana amin’ny famendrahana odimoka amin’ireo distrika 5 mbola ahitana ny […]




