Nivarahontsana i Eoropa iray manontolo, ny talata lasa teo, taorian’ny nandresen’ny Manchester City ny Bayern de Munich, tamin’ny isa mavesatra 3 no ho 0, nandritra ny lalao ampahefa-dalana mandroso, hiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa “Ligue des champions”, taranja baolina kitra. Fihaonana notanterahina tao amin’ny Etihad Stadium. Tsy nisy tsy niresaka […]
Taratra
Judo : « Dingana no vita fa tsy io no tanjona », hoy R. Laura
Mitana ny laharana voalohany maneran-tany amin’ny taranja Judo ho an’ny sokajy -70 kg, ilay vehivavy atleta malagasy, Rasoanaivo Laura. Nisy ny resadresaka nataon’ny gazety Taratra taminy, omaly. Dinidinika. Gazety Taratra (*) : Nanao ahoana ny nandraisanao izany laharana voalohany maneran-tany izany ? Laura (-): Faly satria nahazoana vokatra ny ezaka […]
Avy nitifitra tompon-trano : dahalo iray maty voatifitry ny polisy
Tokantrano iray niharan’ny fanafihan-dahalo nirongo fitaovam-piadiana mahery vaika tao Soahevana, fokontany Soafandry, kaominina ambanivohitr’Anjoma, distrikan’i Manandriana, afakomaly maraina. Nanohitra ireo mpanafika anefa ny tompon-trano ka norarafan’izy ireo ny tifitra variraraka, maty tsy tra-drano. Nitsoaka ireo dahalo ka tsy nahazo na inona na inona tao amin’ity trano notafihina ity. Nanao fanarahan-dia […]
Betongolo : maharitra iray volana ny fitsarana miaramila
Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy, teny amin’ny Kianja Betongolo, ny fotoam-pitsarana miaramila ho an’ny taona 2023, tanterahin’ny Fitaleavan’ny fanompoam-pirenena sy ny fiandry eo anivon’ny minisiteran’ny Fiarovam-pirenena. Nanokatra izany ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Fiarovam-pirenena, ny Jly Ramasy Razafindratovo Heritiana niaraka tamin’ireo mpiara-miasa aminy. Nankasitraka ny fahatongavan’ireo tanora maro teny an-toerana izy, izay […]
Dic Meva Tsaralalàna : mifanampy sy mifanentana ny mpivarotena
Misy tetikasa « Nouveau modèle de financement 3 » (NMF), ny ady amin’ny VIH/ Sida eny anivon’ny mpivarotena. Miasa eto Antananarivo Renivohitra izy ireo ary manana “Drop in center” (Dic) Meva ao Tsaralalàna. Toerana ahafahana mifanakalo hevitra sy mifampitaiza ary ahazoana fizaham-pahasalamana ny Dic satria misy mpitsabo ao. Manana mpiara-miasa mpanentana ara-pahasalamana […]




