Taratra

Ikotozafy ihany …

  Ity vao tena TIM na ny teo ihany no miverina! Ikoto­zafy ihany no “leksisy”! Manomboka mampiaka-pofona indray ny tanora. Milaza ireo mpitolona fa tena nivaralila ny valin’ny fitakiana natao ny volana septambra teo. Fomba fijery izay maha be resaka ihany koa anefa. Maro no tsy nahazo toerana tamin’ny fitondrana […]

Antenimierampirenena : Depiote 116 no manohana ny fitondrana

Maro anisa vaovao eo anivon’ny Antenimieram-pirenena ! Tafakatra anjatony izao ireo solombavambahoaka nanao fanambarana fa hanohana izao fitondrana Fanavaozana izao. «Mipetraka ny vovonan’ny depiote amin’izao fanavaozana izao. Iaraha-mahita ny ezaky ny fitondrana amin’ izao». Io ny fanazavan’ny depiote tsy miankina voafidy tany Manandriana, Amoron’i Mania, Andrianjanahary Fano­mezantsoa, teny Tsimbazaza, omaly, […]

TSELATRA

Naiditra vonjimaika am-ponja eny Antanimora, ny 30 janoary 2026 teo, ny vehivavy iray 26 taona. Tratra nitondra rongony nilanja 80 kg tetsy amin’ny fiantsonan’ny fiara Andohatapenaka izy io, ny 25 janoary 2026. Avy any Mampikony nikasa ho any Toamasina ny diany. Nafeniny tany anaty valizy miisa efatra izany. Lehilahy iray […]

Fonjan’i Moramanga : Tratra ny roa tamin’ireo gadra 14 nandositra

Efa eny am-pelantanan’ny tomponandraikitry ny fonja ao Moramanga, omaly, ny roa lahy tamin’ireo gadra 14 nandositra. Anatin’ny fikarohana ireo voafonja miisa 12 ambiny izay anisan’ny nandositra tao amin’io fonja io ny tomponandraikitry ny filaminana ao an-toerana, amin’izao fotoana. Nandritra ny fikarohana, roa lahy tamin’ireo tafaporitsaka no tafaverina am-ponja, omaly. Gadra […]

Mpamaky trano : Olona fito voasambotry ny zandary

Mitohy hatrany ny famongorana ny mpanao asa ratsy, iandreketan’ny mpitandro filaminana. Andian-dehilahy miisa enina sy vehivavy iray indray no voasambotry ny zandary avy ao amin’ny zana-tobim-paritra Soavina, omaly. Tra-tehaka teny Ankadimbahoaka, teo am-pivarotana entana sy koja­kojan-tokantrano halatra, izy ireo. Anisan’ny tratra, tamin’ izany, ny vilany aluminium miisa telo, rice cooker […]