Mitohy ny ady amin’ny famongorana ny kapila hosoka. Nodorana omaly avokoa ireo vokatra piraty azon’ny sampandraharaha misahana amin’io ady io. Maherin’ny 28 000 ny isan’ireo kapila hosoka, azon’ny teo anivon’ny sampandraharaha misahana ny ady amin’ny fanaovana hosoka, nandritra ny taona 2022. Vokatra hosoka avy eto Antananarivo avokoa ny 80% tamin’ireo […]
Taratra
Fandaharanasan’ny minisiteran’ny Fiarovana : ho hentitra sy hamafisina ny fitsipi-pifehezan’ny Tafika
Nanolotra ny fandaharanasa sy ny fomba fiasa ho an’ ny taona 2023 tamin’ireo tompon’andraikitra ambony eo anivon’ny Foloalindahy ny minisitry ny Fiarovam-pirenena, ny Jly Rakotoarijaona Josoa, omaly, tetsy Soanierana. Anisan’ny toromarika nomeny ao anatin’izany ny amin’ny fanatanterahana ny asa sy vina ary paikady napetraky ny minisitera, iandraiketany. Nambarany fa hohamafisina […]
Lapan’ny fitsarana « facebook »
Tena mahavariana isika Malagasy ireto ! mampiteny ny moana ny zava-misy eny amin’ny tambajotran-tserasera. Zary misolo vaika ny fitsarana sy ny mpitsara ny mpampiasa azy. Raha ny zava-nisy omaly, tena mahatonga saina. Hatreny amin’ny tontolon’ny fampianarana ambony no voafandrika. Zary nifanilika andraikitra imasom-bahoaka ny samy tomponandraikitra. Niezaka nanadio tena sy nitady ny […]
Haitao arakajy mirindra : fitaratra aty Afrika i Madagasikara
Sehatra miroborobo ny haitao arakajy mirindra eto Madagasikara. Fitaratara aty Afrika isika saingy vidian-dafo izany no mbola tsy voafehy tanteraka ny fampiasana azy. Ny 19 sy 20 mey 2023, handray ny fivoriana iraisam-pirenena momba ny fifindrana amin’ny fampiasana haitao ara-kajy mirindra (transformation digitale) i Madagasikara, eo ambany fitarihan’ny Filoha Rajoelina […]
Nisandoka ho manamboninahitra…: lehilahy iray nilaza ho chef de brigade-n’ ny andiany faha-38
Noraisim-potsiny ! Tonga teny Antanety II ny kaomandin’ny vondron-tobim-pileovana Analamanga noho ny fitokonan’ny mpianatry ny ESPA Vontovorona, afakomaly tolakandro. Nisy lehilahy iray nanakana ny fiara nitondra azy tamin’io fotoana io. Nilaza izy fa hoe manamboninahitra nivoaka tao amin’ny andiany mivantana faha-38 tao amin’ny Akademia Miaramila (Acmil), Antsirabe, izy. Fantatry ny kaomandin’ny […]




