Tontosa, omaly, tetsy amin’ ny Tranompokonolona Analakely, ny famindram-pitantanana eo amin’ny Filohan’ny fikambanan’ny mpivarotra taloha sy vaovao eo anivon’ny Pavillon Analakely. Nanatontosa izany ny filoha taloha, Rtoa Sarah sy ny filoha vaovao, Atoa Rakotonirina Claude. Toarian’ny disadisa teo amin’ireo mpivarotra, tsy nanaiky ny SMGD. Niroso tamin’ ny fifidianana ny ho […]
Taratra
Fiarovana ny ankizy amin’ny herisetra: mpiasa sosialy 60 nahazo mari-pankasitrahana
Nanampy ny fahaiza-manaony ireo mpiasa sosialy. Mba handray an-tanana ireo ankizy iharan’ny herisetra eto amin’ny Nosy. Natolotry ny Unicef, omaly, teny Ankatso, ny mari-pahaizan’izy ireo. Mpiofana miisa 60 no nahazo mari-pankasitrahana avy amin’ny Unicef, omaly. Natao teny amin’ny Oniversiten’Antananarivo, Faculté EGS (Toekarena, Géologie, Fiarahamonina) teny Ankatso, ny lanonana. Nisitraka izany […]
Mananjary : fokontany enina nisitraka vary mora
Tao anatin’ny androratsy tanteraka, nitohy ny fitsinjarana ny vary mora tao Mananjary, ny talata teo. Vary 1.500 kg namidy anatin’ny fokontany iray. Amidy 1.200 Ar ny kilaon’ny vary. Miisa enina ireo fokontany nisitraka io famarotana vary mora io. Nahatratra 18 taonina ny vary nojifain’ireo mponina ao an-toerana. Mbola manana tahiry […]
Atsimo Atsinanana : atrehina ny fiovaovan’ny toetr’andro
Notontosaina omaly tao Farafangana, notarihin’ny solontenan’ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovain-jafy (Medd), nahitana solontenan’ny prefektiora sy ny faritra, avy amin’ny talem-paritra, sy ireo fikambanana maro samihafa.Toy ny tetikasa Giz Prada ihany, HIH, MBG, nisy hevitra avy amin’ny maro an’isa noraisina namosaka ny tolo-keviny. Haharitra 48 volana ny tetikasa […]
Amboasary Atsimo : velaran-tany 1 000 ha hisitraka rano
Noho ny olana ara-tsakafo ateraky ny haintany ao amin’ny distrikan’Amboasary Atsimo sy Ambovombe, nanomboka omaly ny asa fanarenana ny lemak’i Behara. Nosantarina tamin’ny asa famerenana amin’ny laoniny ny fitarihan-drano amin’io lemaka goavana io, afaka manondraka hatramin’ny velaran-tany 1.000 ha izany, raha 350 ha monja no voatondraka amin’izao fotoana izao. Ho […]




