Taratra

« Rodobe Mafana 2023 » : Mpanakanto am-polony hifampizara sehatra

Ho antonona ve ny toerana ? Izay avokoa ny fanontanian’ireo izay naheno rehetra ny fisian’ilay seho « Rodobe Mafana 2023 ». Hotontosaina anio, manomboka amin’ny 9 ora alina etsy amin’ny Jao’sPub Ambohipo izy io. Miavaka amin’ny mahazatra, satria araka ny anarany dia tena rodoben’ireo mpanakanto tokoa izany. Tarika am-polony no hifandimby an-tsehatra, ahitana […]

IKM Antsahavola: hotohizan’i Hobiana ny atrikasa fanoratana tantara

Nizara ny fahalalany mahakasika ny voambolana Malagasy i Riambola Mitia, ny volana janoary. Nanohy ny atrikasa momba ny fanoratana tantara kosa i Michèle Rakotoson, ny volana febroary. Fantatra kosa fa hotohizan’i Hobiana Andrianimerina izany, rahampitso 11 marsa amin’ny 2 ora tolakandro, ao amin’ny IKM Antsahavola. Toa ireo namany taloha, mpanoratra […]

Tantara – FJKM Tranovato Ambatonakanga: hisy ny fanompoam-pivavahana amin’ny teny anglisy

Taty amin’ny fiandohan’ny taonjato faha-19, niova ny tantaran’i Madagasikara satria nifandray diplomatika tamin’ny fanjakana anglisy izay iray tamin’ireo firenena natanjaka indrindra eran-tany ny mpanjaka Radama I ary nanao sonia fifanaraham-piarahamiasa taminy. Tafiditra tao anatin’izany ny fangatahany mba handefasana mpahay taozavatra hampianatra asa vaovao ny vahoakany. Tsy nandà koa izy ny […]

Seho iraisam-pirenena : vonona ny hampifaly ny tanora i Tayc

Hotontosaina anio, eny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena sy ny kolontsaina Mahamasina, ny fampisehoana goavana hataon’i Tayc, mpanakanto frantsay miangaly ny gadona R&B. Fampise­hoana iarahany amin’ny mpanakanto kalaza malagasy. “Vo­nona ny mpikarakara hanome fampisehoana mendrika ny mpankafy sy ity mpanakanto iraisam-pirenena ity”, hoy i Vincent, solontenan’ny mpikarakara. Ankoatra ny fampisehoana, hisy ny […]

Fiarahamonina malagasy ankehitriny: nanjary « mora sanda » sy very hasina ny vehivavy

Nanaraka fatratra ny lamina voajanahary ny Malagasy. rehefa lahy, dia lahy. Rehefa vavy, dia vavy. Mifandraika amin’izany ny fizarana asa, andraikitra adidy, sns, eny anivon’ny fiarahamonina. Nirindra ny zava-drehetra satria nifameno ny tsirairay… Nitana ny toerana nametrahan’ny lamina voajanahary sy ny fiarahamonina izay ny vehivavy. Votsotra niandalana anefa izany… Tsy […]