Eo ho eo amin’ny 40 %-n’ny atody jifaina eto Madagasikara dia avy amin’ny toeram-piompiana akoho ao amin’ny kaominina Mahitsy avokoa. Betsaka ny olona mivelona amin’ny fiompiana akoho, ankoatra ny fambolena. Miavaka ny kaominina Mahitsy, eto amin’ny Nosy, amin’ny maha mpamokatra atody azy, ary betsaka ny jifaina eto an-toerana. Araka ny […]
Taratra
Innovation Room-Andraharo : ivontoerana ahazoan’ ny tanora mampiroborobo ny tetikasany
Nanangana ivontoerana iray natokana ho an’ny tanora ao anatin’ny foiben’ny sampandraharahan’ny Firenena mikambana, eny Andraharo, ny Tahirin’ny Firenena mikambana momba ny mponina (UNFPA). Ivontoerana ahafahany mamolavola tetikasa vaovao mifandraika amin’ny sahanasan’ny UNFPA eto Madagasikara sy ny tanjon’ny fampandrosoana lovain-jafy. « Misy fitaovana momba ny teknojia vaovao (TIC) ao anatiny ary azon’ny […]
OMM : anisan’ny rivodoza naharitra indrindra i Freddy
Raha ny fandalinana nataon’ireo manam-pahaizana ao amin’ny Organisation météorologique mondiale (OMM) dia anisan’ny rivodoza naharitra indrindra ary ela vao levona ilay rivodoza Freddy nanafika an’i Madagasikara nisesy teo. Anisan’ny rivodoza nahafaty olona betsaka ary nanimba zavatra maro ihany koa i Freddy. Nampitondra takaitra firenena maromaro ihany koa izy ary anisan’izany […]
Fananganan-tsaina : nahazo rariny ireo mpampianatra
Nampahafantarin’ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena, Sahondrarimalala Marie Michèlle omaly, fa nahazo rariny teo anivon’ny Filankevi-panjakana ireo mpampianatra sy mpanabe. Raharaha mikasika ilay resaka fandavan’ny ankizy tsy hanangan-tsaina sy tsy hihira ny hiram-pirenena, tao amin’ny sekoly, tao Alakamisy Itenina. Nolavin’ny fitsarana mahefa ny fangatahana fampiatoana ny sazy nahazo ireo mpianatra tsy nanaja […]
Tetikasa Harivola : hanofana maimaim-poana momba ny fitantanam-bola
Rehefa voafehy ny fitantanam-bola, na kely aza ny eo am-pelatanana, mitondra fivoarana ho an’ny fihariana sy ny asa hatrany. Hatomboka amin’ny faritra enina ny tetikasa “Harivola”. Hampianatra maimaim-poana ny tanora, mpandraharaha madinika na mpitantana orinasa, hitantam-bola ny Iscam solutions formation (ISSOF), amin’ny tetikasa “Harivola”. Fandaharam-piofanana nasionaly hampiroboroboana ny fitantanam-bola azon’ny […]




