Taratra

Hetsika “Songadina” : tontosa omaly ny atrikasa “Malesa”

Mitohy hatrany ny fampahafantarana ny kolontsaina sy ny mampiavaka ny faritanin’i Mahajanga, indrindra ny faritra Sofia. Notanterahina ny talata 7 marsa 2023, teny amin’ny Ivontoeran’ny kolontsaina Malagasy (IKM) Antsa­havola, ny atrikasa momba ny “Malesa”. Tafiditra ao anatin’ny hetsika “Songadina”, hampahafantarana ny kolontsaina sy ny mampiavaka ny faritra na faritany iray. […]

« Mamy indray ny miaina » : hankalaza ny faha-90 taonany i Henry Ratsimbazafy

Fanirian’ny zanak’olombelona maro ny hahatratra ny 90 taona… Nofinofin’ny mpanakanto maro ihany koa ny hankalaza izany an-tsehatra. Tonga amin’izay taona maha konka azy izay i Henry Ratsimbazafy amin’ity taona ity, satria feno amin’ny 29 marsa izao ny 90 taona ho an’ity andrarezin’ny kanto malagasy ity. «Mamy indray ny miaina», hoy […]

Andron’ny 8 marsa : hiseho an-tsehatra ny “Miss Maman”

Hotontosaina anio, eny amin’ny Ivontoeran’ny kolon­tsaina malagasy (IKM) Antsa­havola ny fifaninanana “Miss Maman Madagascar 2023”. Fifaninanana natokana ho an’ireo reny. Nahatratra 314 ny nandray anjara tamin’izao fifaninanana izao. Manodi­dina ny 30 izy ireo no nahatafita ny dingana fifantenana mialoha ka hiatrika ny fifaninanana hatramin’ny farany. “Comme une reine”. Io no […]

CUA – Hanalana hamohamo… : hotanterahina eto Antananarivo ny « Festival Explosion de rire »

Amin’izao vanim-potoana izao, maro ireo vesatra mahazo ny sain’ny tsirairay. Covid-19, tsy vitsy ireo nahazo vokatra ratsy avy tamin’io valanaretina io… Izany rehetra izany no anisan’ny hanatanterahana ny « Festival Explosion de rire ». Misy ny fiaraha-miasa eo amin’ny kaominina Antananarivo Re­nivohitra (CUA), ny masoivoho soisa eto Madagasikara, ireo Malagasy […]

Teny momba ny filohan’ny Fizafafi : niala tsiny tamin’ny filohan’ny Antenimiera i Kaleta

“Ny nivorianay tao: nilamina ny anay mianadahy, izaho sy ny filohan’ny Ante­nimierampirenena. Misy ny fifankahazoana. Nifanazava sy nifamela izahay”, hoy ny fanazavan’ny mpanolotsaina manokan’ny filohan’ny Repo­blika sady filohan’ny antoko Liarake, i Soja Jean André na i Kaleta, ny amin’ny fihaonana teo aminy sy ny filohan’ny Antenimierampirenena sady filohan’ny fikambanana Fiza­fafi, […]