Taratra

Nifatratra tamin’ny fiara : Mpitondra kodiaran-droa namoy ny ainy

Nitrangana lozam-pifamoivoizana namoizana aina indray tany amin’ny lalam-pirenena fahafito, ny sabotsy 31 janoary 2026, tamin’ny 03 ora sy sasany tolakandro. Niseho teo amin’ny PK 63 + 500, Talakimaso, fokontany Miadamanjaka, kaominina ambanivohitra Manjakatompo, distrika Ambatolampy, ny loza. Nidofitra mafy tamin’ny fiara iray, sprinter mpitatitr’olona, ny kodiaran-droa marika France Rider notaingenan’olon-tokana. […]

Fanafihan-jiolahy : Tokantrano roa voaroba 17 tapitrisa Ariary

Norobain’ny jiolahy mitam-piadiana ny tokantrano miisa roa tao amin’ny kaominina Faratsiho, ny alin’ny sabotsy hifoha ny alahady teo, tamin’ny 11 ora. Lasa ny vola an-tapitrisany. Lasan’ny olon-dratsy ni­tam-basy ny vola mitetina 17 tapitrisa Ar tao amin’ny tanànan’Antsampa­nimahazo Avaratsena, fokontany Avaratrakolahy, kaominina Faratsiho, ny alin’ny sabotsy 31 janoary teo. Na­se­sin’ireo tsy […]

Nampiana faninefany: Jifa iray andro ny tapakilan’ny sehon’i Joely

Tsy «Miseho milay» araka ny lohatenin’ny fampisehoana izy… Fa «Tena milay», an­gamba, matoa nifarombahin’ireo mpankafy ny tapakilan’ny fampisehoana «Miseho mi­lay», izay homanin’i Joely. Lany vetivety talohan’ny faran’ny taona ireo tapakilan’ny seho 3 misesy izay mbola hotontosainy ny 13, 14 ary 15 febroary ho avy izao, samy etsy amin’ny CCI Ivato. […]

Firosoana amin’ny maha matihanina : Hanana « licence » ireo mpikarakara fampisehoana

Asa mamelona fianakaviana maro ny fikarakarana hetsika sy fampisehoana. Fiha­riana marefo anefa izany eto Madagasikara, satria lasibatra voalohany raha vao misy olana lalovana, toy ny krizy politika na ara-pahasalamana, ohatra. Na izany aza, fihariana tokony hiroborobo, rehefa misy ny fifarimbonana eo amin’ny mpisehatra rehetra. Antony nanaovan’ny sendikàn’ny mpikarakara hetsika sy […]