Nampanantena ny filohan’ ny Repoblika, Rajoelina Andry, ny volana avrily 2022 fa horaisina mpiasam-panjakana avokoa ireo mpiasa nanome tanana nampihodina ny CTC 19 maromaro teto an-dRenivohitra tao anatin’ny fiparitahan’ny vanalaretina Covid-19. Nentanina hikarakara ny antontan-taratasy momba azy sy ny fari-pahaizany ireo mpiasan’ny CTC rehetra. Hatramin’ izao, tsy nisy tohiny ny […]
Taratra
Fampandrosoana ny firenena : hiroso amin’ny politika ny vehivavy
Nanatanteraka atrikasa tetsy Antanimena ireo mpikambana ao amin’ny « Conseil national des femmes de Madagascar » (CNFM), omaly. Nahafahana nitondra teny sy nifampizara traikefa teo amin’ ny mpandray anjara sy ny mpanatrika. Mba hampiroborobo ny fandraisan’ny vehivavy andraikitra sy hanapa-kevitra amin’ny fiainam-bahoaka eto Madagasikara. Nivoitra betsaka, nandritra izany, ny tokony handraisan’ ny […]
Campus Ambondrona : hiroso ny asa raha vao vita ny tombana
Mitohy ny fanadihadiana sy ny famotorana momba ny fifandonana nitranga tao amin’ ny campus Ambondrona Mahajanga, ny 19 febroary lasa teo. Manao ny andraikiny amin’ny fanadihadiana ihany koa ny “cellule anti-corruption” (sampandraharaha fisorohana ny herisetra eny anivon’ny oniversite) eo anivon’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa miady amin’ny herisetra […]
Fikoloana ny fahadiovana sy ny fidiovana: hentitra ny fifantenana ireo mpanara-maso
Ao anatin’ny dingana fitsarana ny fifaninanana amin’ny fandraisana ireo olona hiandraikitra ny fanaraha-maso ny fahadiovana sy ny fidiovana ny kaominina Antananarivo Renivohitra. Hentitra sy mangarahara ny fifantenana. Nanazava ny talen’ny tsara tantana sy ny ady amin’ny kolikoly ao amin’ny CUA, Ramilijaona Andry fa hentitra sy mangarahara tanteraka ny fanatanterahana ny […]
Taolagnaro : namatsy vola famatsian-drano ny QMM
Mitentina 260 tapitrisa Ar ny toby famatsian-drano fisotro avy amin’ny orinasa QMM ho an’ny tanànan’Andrakaraka, kaominina Taolagnaro. Ao anatin’io famatsiam-bola io koa ny kojakoja fanolo ilaina any aoriana any. Fomba fanasivanana voajanahary no entin’ity fotodrafitrasa ity, mamatsy paompy miisa telo ao an-tanàna. Mampihodina azy ny angovo azo havaozina avy amin’ny […]




