Tanterahina ao amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy, ao amin’ny efitrano Dox, ny velakevitra momba ny teny malagasy. “Ny tsy fahafehezana ny teny malagasy ao anaty literatiora” io no lohahevitra hovelabelarina mandritra izany. Ratsimbazafy Heriarilala, mpandala ny teny sy ny literatiora malagasy no hitarika izany. Ny fikambanana famoloana Telozoro no mpikarakara. Hetsika tanterahina […]
Taratra
Moto nifatratra tamin’ny kamiao : zandary sy miaramila namoy ny ainy
Mpitandro filaminana roa niara- namoy ny ainy tao Toamasina raha avy any Barikadimy, ny alatsinainy lasa teo. Nanao taingin-droa tamin’ny moto izy ireo ary nihazo ny lalana mahitsy Antanandava. Nahitana kalesa tsy misy jiro maro eny amin’ny arabe. Niala izany izy ireo ka nifatratra tamin’ ny fiara mpitatitra entana iray […]
Ratovo Valiha : « Tsy vitan’olon-tokana ny fampivelarana ny valiha »
Iray amin’ireo andrarezina amin’ny fitendrena sy fikarohana momba ny valiha, Ratovo Valiha. Toerana sy sehatra ary firenena maro no efa nanehoany ny talentany sy ny voka-pikarohana vitany. Nilaza ny heviny momba ny fomba hoenti-manapariaka sy mampivelatra ny tontolon’ny valiha izy, omaly. «Tsy vitan’ olon-tokana ny fampivelarana ny tontolon’ny valiha», hoy […]
Vict’art : hanomboka anio ny ranty
Misokatra manomboka anio, eny amin’ny Ivokolo Analakely, ary tsy hifarana raha tsy ny 17 avrily 2023 ny varotra fampirantina hanehoana ny haikanton’i Vict’Art. “F Ames iniste” no lohatenin’ny fampirantina ary lohahevitra voizina mandritra izany. Fiaraha-miasa amin’ny Office national des arts et de la culture (OFNAC) izy ity. Ity ivontoerana ity […]
«Volana iray, mpanoratra iray» : nampahafantarina Rabenoely Olynca
Rabenoely Olynca, mpanoratra avy any Andapa, faritra Sava, no nosafidiana nampahanfantarina nandritra ny «Volana iray mpanoratra iray», nandritra iny volana nivalona iny. Nisy ny fihaonana nataon’ity mpanoratra ity tamin’ireo mpianatry ny CEG Antanifotsy ao Sambava, izay nokarakarain’ny fitalevam-paritry ny Serasera sy ny kolontsaina, faritra Sava. Ankoatra ny fampahafantarana ny mpanoratra […]




