Namoaka naoty fampahatsiahivana ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka manoloana ny firongatry ny tsy fanarahan-dalàna eo amin’ny fanatanterahana ny fitsaboana nentim-paharazana. Tsy maintsy mahazo fahazoan-dalana avy amin’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka ny fanokafana toeram-pitsaboana nentim-paharazana sy ny fanatanterahana fitsaboana mifandraika amin’izany. Tsy manome fahazoan-dalana velively hanofana ho mpitsabo nentim-paharazana ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka satria nolovaina fa […]
Taratra
Fotodrafitrasa -CUA: nahazo 10 tapitrisa euros avy amin’ny AFD
Nifanaraka omaly, ny fanjakana malagasy, amin’ny alalan’ny minisiteran’ny Toekarena sy ny vola, tamin’ny AFD (Agence française du développement) ny amin’ny fanatsarana ny fotodrafitrasa eto an-dRenivohitra. Nanome vola 10 tapitrisa euros ity farany. Ho enti-manatsara ny fiainan’ny mponina ihany koa izany, ankoatra ny fandaharanasa iray ho an’ny fivezivezena eto Antananarivo Renivohitra, […]
Bas-Mangoky: 5,3 t isaky ny ha ny voka-bary
Mitombo ny voka-bary any amin’ny lemaka Bas-Mangoky, distrika Morombe, faritra Atsimo Andrefana, rehefa hita ny vokatra tamin’ ny janoary 2023 teo. Tsapa izany taorian’ny fanajariana natao avy amin’ny famatsiam-bola tamin’ny Banky afrikanina momba ny fampandrosoana (Bad). Ny asa natao teo anelanelan’ny 2013-2021 ho fanatsarana ny fambolena any amin’ny faritra. Fantatra […]
Harena an-kibon’ny tany : nanaovana atrikasa ho fiarovana amin’ny kolikoly
Nohamafisin’ny Transparency International –Initiative Madagascar (TI-MG) ny ady atao amin’ ny kolikoly ho fiarovana ny harena an-kibon’ny tany. Nanaovana atrikasa izany tao amin’ny Hôtel Centell Antanimena, ny faran’ny herinandro teo. Hatramin’ny taona 2020 ny Fikambanana Schmidt Family Foundation amin’ny alalan’ny Saving Lives I, II, III no miady amin’ny kolikoly ao […]
Tany Meva : Tale mpanatanteraka Rasoanaivo Hariliva
Araka ny fivoriana nataon’ny filankevim-pitantanana, voatendry ho tale mpanatanteraka vaovao, hitantana ny fikambanana, ny Fondation Tany Meva, i Rasoanaivo Hariliva, nanomboka ny 23 janoary 2023 teo. Izy no handimby ny tale teo aloha, Fanohiza Claude. Niorina ny taona 1996 ny Fondation Tany Meva, misehatra amin’ny fiarovana ny tontolo iainana. Mamatsy […]




