Nambaran’ny tale jeneralin’ny Fitsinjaram-pahefana, Rabetahiana Pascal Pierrot fa efa vita avokoa izao ny fakan-kevitra natao teny anivon’ny faritra 23, momba ny fitsinjaram-pahefana miabo. “Nalaina ny hevitry ny vahoaka ka nanaovana ny atrikasa. Homena fahefana feno ny eny ifotony manomboka izao ho amin’ny politikan’ny fampandrosoana”, hoy izy. Nanteriny fa novolavolaina ho […]
Taratra
Antoko Fiombonana: “Tsy hisy fahagagana”
“Tsy afa-kanao fahagagana ny mpikambana vitsivitsy eo anivon’ny governemanta vao nandray ny asany, andro vitsivitsy lasa izay”, hoy ny sekretera jeneralin’ny antoko Fiombonana, i Durlin Retogniane. Sarotra ny inoana fa hitondra fiovana be eo amin’ny fiainam-pirenena ny fanoloana mpikambana sasantsasany eo anivon’ny governemanta, na niteny aza ny minisitry ny Serasera […]
Firaisamonim-pirenena : Tsy ho tratra ny vina napetraky ny Ceni
Nivory tetsy Ambatonakanga ireo mpikambana ao amin’ny firaisamonim-pirenena Rohy omaly. Namaritra ny paikady sy ny sehatra hiasana amin’ity taona 2023 ity izy ireo. Anisan’izany, ny fanaraha-maso ny fifidianana sy fanentanana ny olom-pirenena. “Mba hisian’ny fidianana madio sy mangarahara eto amin’ny Nosy. Tsy ho tratra ny vina napetraky ny Ceni, mbola […]
Depiote Ratsimbazafy Alain : “Mahantra i Madagasikara”
“Aty amin’ny firenena faran’ny mahantra i Madagasikara noho ny tsy fahaiza-mitantan’ny mpitondra. Mahatonga anay miteny, fa ny fitondrana izao no tena mahakizo fara ny vahoaka”, hoy ny depiote Tim, Ratsimbazafy Alain Jean. Tsy ho an’Antananarivo Atsimondrano ihany fa ho an’i Madagasikara. Eo ny fahapotehan’ny toe-tsaina; very ny soatoavina. Eo amin’ny […]
Paraina Auguste – Fizafafi: “Tsy nifanarahana ny fanaovana fanambarana politika”
Namaly ny lahateny tany Fianarantsoa ny faran’ny herinandro teo ny kandidà ho filoham-pirenena sady filoha nasionalin’ny antoko Tsara Tahafina, i Paraina Auguste. Nohitsiny fa niteraka alahelo sy fahasorenana ho an’ny sasany ny tranga niseho tany an-toerana. “Nifanarahana tamin’ny voalohany fa tsy hasiana fanambarana politika amin’iny hetsika iny. Samy manana ny […]




