Nanao rodobe manoloana ny Lapan’ny fitsarana, omaly, ny havan’ilay ankizilahikely hita faty teny Tanjombato, ny alahady teo. Niakatra fampanoavana tamin’io fotoana io koa ireo voasambotra sy voasaringotra ka nalefa eny Antanimora ny efatra raha eny Tsiafahy kosa ny iray. Niatrika ireo mpitsara mpanao famotorana, omaly, ireo olona voarohirohy naka an-keriny […]
Taratra
Tsenan’ Anosibe : nihaino ny olan’ny mpivarotra ny ben’ny Tanàna
Nidina ifotony teny amin’ny tsenan’Anosibe ny ben’ny Tanànan’Antananarivo Renivohitra sy ny mpiara-miasa aminy, afakomaly. Nijery ny zava-misy sy ny olan’ny mpivarotra ary ny fandrosoan’ny asa fanamboarana sy fanavaozana teny an-toerana izy nandritra izany. Fotoana nanaovan’ny fikambanan’ny mpivarotra tatitra tamin’ny ben’ny Tanàna io fotoana io. Nilaza ny fikambanan’ny mpivarotra fa nisy […]
CUA : ny hahasoa ny mponina ny politikan’ny kaominina
Nifampiresaka tamin’ny ben’ny Tanànan’Antananarivo ireo solontenan’ny mponina sy ny mpiasa avy amin’ny boriborintany enina omaly. Notanterahina tetsy amin’ny Tranompokonolona Analakely izany. Nilaza ny ben’ny tanànan’ Antananarivo Renivohitra Andriantsitohaina Naina fa ilaina ny fotoana toy izao mba ahafahana mifampiresaka sy mifampizara olana. Nohamafisiny fa ny hahasoa ny mponina ny politikan’ny kaominina. […]
Mahazo aina kely : niisa 132.000 ny mpizahatany ny taona 2022
Tsy tena tafarina ! Tsy nandroso mihitsy ny fizahantany teto Madagasikara nandritra ny roa taona nisian’ny Covid-19, ny taona 2020 sy ny 2021. Niarina tsikelikely izany ny taona 2022 teo, satria nahatratra 132.018. Zara raha nisy 87.100 ny mpizahatany ny taona 2020, fotoana nanombohan’ny Covid. Anisan’ ny antony tsy nahatonga […]
Varotra : maro anisa ireo fiara efa niasa
Manatsara ny fampidirana fiara avy any ivelany ny fadintseranana malagasy, raha mitombo hatrany ny fanafarana izany. Maro anisa indrindra ireo fiara efa niasa, tsy latsaky 12 000 isan-taona, nandritra ny telo taona nifanesy, 2017, 2018, 2019, ny nampidirina teto isaky ny taona. Anjatony miliara ariary maro ny nampidirin’ny ladoany, avy […]




