Nanao sonia fifanaraham-piaraha-miasa ny kaominina Antananarivo Renivohitra sy ny orinasa AIOLOS, omaly, momba ny fametrahana ny «Application the real Madagascar». Notanterahina tetsy amin’ny Lapan’ny Tanàna Analakely ny lanonana. Hanampian’ny kaominina ny sehatry ny fizahantany, ny trano fandraisam-bahiny ary ny trano fisakafoana izy ity. Tanjona ny hanampiana ny mpitsidika hanomana ny […]
Taratra
Sarotra ny fandidiana !
Dila tanteraka ny rivodoza Freddy. Anatin’ny fanisana ny traboina sy fanombanana ny zavatra simba isika, ankehitriny. Efa nanao be midina tany amin’ny distrika tena voa-mafy ny iraky ny Filoham-pirenena. Nanao vonjy ranovaky, nitondra izay voa tsy rambin’ny tanana. Efa any an-toerana, mitondra izay vitany koa ny ankolafy sy vondrona samihafa, […]
Mpampivelona novonoim-badiny : nolerana antsy no voakapa famaky
Naiditra am-ponja, rehefa avy niaiky heloka ny lehilahy iray avy namono ny vadiny. Notsindrominy antsy ny mason-dramatoa, mbola nokapainy famaky ny lohany. Ny tendrim-po tsy mba namana! Maty nanamparan’ny raim-pianakaviana ny hatezerany ny vadiny, ny talata lasa teo tany Port Bergé. Nolerany antsy ny voamasony, nokapainy famaky ny tarehiny, araka […]
Tselatra
Mbola karohin’ny mpitandro filaminana ny lehilahy iray anisan’ireo nanolana ankizivavikely 13 taona tao Tsimenatsy-Toliara. Voasambotra sy atao famotorana kosa ireo namany enina hafa. Tsiahivina fa efa iray volana taorian’ity zava-doza ity vao sahy nitantara ny zava-nahazo azy ilay zazavavy. Noraketina an-tsary sady naparitaka tamin’ny tambajotran-tserasera ny fanolanana natao azy.
Ankazobe: dahalo iray maty voatifitra tao anaty kizo
Maty voatifitry ny miaramila ao amin’ny ZDS Ikopa tao amin’ny kaominina Ambolotarakely, afakomaly, ny dahalo gagilahy iray. Raha ny tatitra nampitain’ny kaomandin’ny ZDS Ikopa, nandritra ny fisafoana ireo kizo fieren’ny dahalo manodidina ny tanànan’Antaniditra Andranomiady, kaominina Ambolotarakely, distrikan’Ankazobe no nahavoatifitra ity dahalo ity. Fantatra fa ao amin’io kizo io ireo […]




