Tranga mampahonena. Hita faty omaly teny amin’ny renirano Ivohitra ao Brickaville ireo mpianadahikely tsy hita popoka hatramin’ny alarobia tolakandro teo. Tamin’io fotoana io, nandeha nanao maloto tsy lavitra ny fokontany Ambohimanarivo izy dahikely ireto. Vita izay, nandeha nisasa teny amin’ilay renirano voalaza etsy ambony ilay zazalahikely fito taona sy ny […]
Taratra
Nanararaotra rivodoza: jiolahy iray lavo, dimy azo sambo-belona
Nanararaotra ny fandalovan’ny rivodoza, jiolahy iray maty voatifitra ary efa-dahy voasambotry ny polisy teo am-pamakiana «quincaillerie», tao Ampasambazaha- Fianarantsoa, ny alin’ny talata hifoha ny alarobia teo. Nifanehatra tampoka tamin’ny polisy manao fisafoana amin’ny alina ireto jiolahy mitam-piadiana, nikiry handositra avy hatrany ireto farany. Nasain’ny polisy nijanona saingy nanohy ny fitsoahana […]
Mpangalatra taribin-jiro : jiolahy 6 naiditra am-ponja
Olona enina tamin’ireo sivy tratra no naiditra am-ponja vonjimaika ao amin’ny fonjaben’Ambatondrazaka, omaly, raha nahazo fahafahana vonjimaika kosa ny telo. Voarohirohy ho tompon’antoka tamina halatra taribin-jiro sy fitaovan’ny orinasa BETC Jiro kanto mpiara-miombon’ antoka amin’ny Jirama ireto tratran’ny zandary tao Tsarahonenana Ambatondrazaka ireto. Halatra niteraka fahatapahan-jiro matetika tany an-toerana. Misy […]
Fivarotana zava-mahadomelina: nizerianina iray nahatrarana “héroïne” 400g
Teratany vahiny faha-19 voasambotry ny zandarimariam-pirenena tao anatin’ny valo volana ity nizerianina tratra niaraka tamina “héroïne” 400g ity. Niakatra fampanoavana omaly ilay teratany nizerianina voasambotra teny Ambohimirary ny alahady teo. Tratra teny amin’ity teratany vahiny ity ireo “héroïne” milanja 400 grama. Saika hivarotra izany izy ary hanaparitaka ity zava-mahadomelina mahery […]
Fiofanana any Chine : niatrika fitsapana ny atleta malagasy
Mizotra tsara araka ny tokony ho izy ny fiofanana hatrehan’ny atleta malagasy any Chine. Antony, ho fanomanana ny lalaon’ny Nosy. Niatrika fitsapana izy ireo, nanomboka ny alatsinainy teo, nialoha ny hidirana amin’ ny kotrana. Natao izany fitsapana izany hahafantaran’ ireo mpampiofana ny haavo teknikan’ny atleta tsirairay. Efa hitan’ny mpampiofana sahady […]




