Nanatanteraka atrikasa tetsy Antanimena ireo mpikambana ao amin’ny « Conseil national des femmes de Madagascar » (CNFM), omaly. Nahafahana nitondra teny sy nifampizara traikefa teo amin’ ny mpandray anjara sy ny mpanatrika. Mba hampiroborobo ny fandraisan’ny vehivavy andraikitra sy hanapa-kevitra amin’ny fiainam-bahoaka eto Madagasikara. Nivoitra betsaka, nandritra izany, ny tokony handraisan’ ny […]
Taratra
Campus Ambondrona : hiroso ny asa raha vao vita ny tombana
Mitohy ny fanadihadiana sy ny famotorana momba ny fifandonana nitranga tao amin’ ny campus Ambondrona Mahajanga, ny 19 febroary lasa teo. Manao ny andraikiny amin’ny fanadihadiana ihany koa ny “cellule anti-corruption” (sampandraharaha fisorohana ny herisetra eny anivon’ny oniversite) eo anivon’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa miady amin’ny herisetra […]
Fikoloana ny fahadiovana sy ny fidiovana: hentitra ny fifantenana ireo mpanara-maso
Ao anatin’ny dingana fitsarana ny fifaninanana amin’ny fandraisana ireo olona hiandraikitra ny fanaraha-maso ny fahadiovana sy ny fidiovana ny kaominina Antananarivo Renivohitra. Hentitra sy mangarahara ny fifantenana. Nanazava ny talen’ny tsara tantana sy ny ady amin’ny kolikoly ao amin’ny CUA, Ramilijaona Andry fa hentitra sy mangarahara tanteraka ny fanatanterahana ny […]
Taolagnaro : namatsy vola famatsian-drano ny QMM
Mitentina 260 tapitrisa Ar ny toby famatsian-drano fisotro avy amin’ny orinasa QMM ho an’ny tanànan’Andrakaraka, kaominina Taolagnaro. Ao anatin’io famatsiam-bola io koa ny kojakoja fanolo ilaina any aoriana any. Fomba fanasivanana voajanahary no entin’ity fotodrafitrasa ity, mamatsy paompy miisa telo ao an-tanàna. Mampihodina azy ny angovo azo havaozina avy amin’ny […]
FAO sy Micc : miara-miasa hisian’ny fahavitan-tena ara-tsakafo
Eo ny minisiteran’ny Indostria, ny varotra sy ny fanjifana (Micc), miaraka amin’ny fanohanan’ny FAO, miara-miasa hisian’ny fahavitan-tena ara-tsakafo, araka ny fepetra iraisam-pirenena. Niarahan’ny roa tonta nanao sonia, omaly, ny tetikasa amin’ ny fanamafisana eto amin’ ny firenena ny fahavitan-tena ara-tsakafo sy ara-pahasalamana. Ampiasaina avokoa ny fitaovana teknika rehetra sy fepetra […]





