Naiditra am-ponja vonjimaika ny ramatoa iray nahatraran’ny mpitandro filaminana rongony milanga 12 kg tao amin’ny fokontany Mahatsara, anatin’ny kaominina renivohitra Antsiranana, afakomaly. Naharay antso tamina olona tsara sitrapo ny polisy fa misy renim-pianakaviana iray manaparitaka rongony ao amin’io fokontany io. Natao ny fanadihadiana. Niroso tamin’ny fisavana ny tranon’ ilay ramatoa […]
Taratra
Sambava: «Pompiste» nangala-bola 6 tapitrisa Ar
Niteraka resa-be ao Sambava ny raharaha halatra nataona mpiasana tobin-tsolika ao amin’ny fokontany Antanifotsy I. “Afakomaly, niasa toy ny isan’andro io lehilahy io. Ny harivan’io, nandalo ireo mpaka vola. Nandritra izay, nangala-tsonia an’ireo tompon’andraikitra izy ka lasany avokoa ireo vola enina tapitrisa Ar”, hoy ny fanazavan’ ilay mpitantana tobin-tsolika. Fantatra […]
Nangalatra vilany : roa lahy saika matin’ny fitsaram-bahoaka
Na eo aza ny fisian’ny fitsaram-bahoaka, vao mainka mampirongatra ny asan-jiolahy izany ary efa tsy mifidy hangalarina intsony ry zalahy amin’izao. Halatra sy vaky lakozia no saika namoizan’izy roa ny ainy… Haingana ny fahatongavan’ny polisy avy ao amin’ny kaomisarian’ny boriborintany faharoa (CSP2) naka ireo jiolahy roa fa raha tsy izany […]
Basikety any ivelany: Mamiratra Rakotobe Kristina
Ao anatin’ny fanohizana ny fianarany ny taranja basikety, any Etazonia amin’izao fotoana izao, Rakotobe Kristina. Ao amin’ny Virginia Academy izy no manohy izay fianarana sy basikety. Raha ny vaovao avy any an-toerana dia tena mamiratra tokoa izy. Niatrika fifaninanana teo anivon’ny lisea any Etazonia na ny NACA, ny ekipan’i Kristina, […]
Tenisy : handray lalao maro Antananarivo
Araka ny fandaharam-potoan’ny Federasiona malagasin’ny taranja tenisy (FMT), hatao eto Antananarivo ny lalao iraisam-pirenena ho an’ny tanora latsaky ny 18 taona, sokajy lahy sy vavy. Hotontosaina ny 26 jona hatramin’ny 9 jolay ho avy izao. Fifaninanana izay karakarain’ny Federasiona iraisam-pirenen’ny tenisy (ITF) sy ny kaonfederasion’ny tenisy eto Afrika (CAT). Hatao […]





